Ny masoko mahita izay zavatra jereko Na ambony tany na ny habakaba-mangaMety ratsy bika aho, nefa kosa ekekoSambatra aho mahiratra fa tsy akory jamba Ny sofiko mandre ireo hirahira tiakoHenoko avokoa izay resaka teneninaAlaivo sary an-tsaina anie ny mety fahoriakoRaha toa tsy lavorary fa sofina marenina Ny vavako miteny mahavita manazavaTsy sarotra ho ahy ny miteny eo … Continuer à lire Harena sarobidy
Catégorie : Saina Miabo
Tsiky
Tsikitsiky monja dia mahamiran-tsainahafatra mafonja ho an'ireo izay mpitaraina Tsikitsiky ihanyno manampy ny fanahyhamafa ny tomanysy ny zava-mampanahy Tsiky no enti-miadyamin'ny zava-manoloanaka n'inona mianjady dia asiana tsiky foana. Rasamy
Vavaky ny marina
Tsara ny mivavakaanaty toetra miavakafeno fahamarinana,anaty filaminana.Ny vavaky ny marina mantsy dia mipaka,ka mety hampitraka,ireo lavon'ny fiainanatsy mety mba tafarina anaty fitarainana. Fa masina kokoa raha arahina asa soasy fifanomezan-tananaho an'ireo tsy manana,sy ireo izay miaina anaty fahorianaka mila fanampiana, izany vavaka izany,fa tsy eo imolotra sy am-bava fotsiny ihany. Rasamy
Tarigetra
Na inona sarotra tsy maintsy hodiavikoNa inona olana tsy maintsy sedraikoNy hiverin-dalana kosa dia lavikoTafita no masaka am-po sy ny saiko Na inona sakana avy eo anoloakoNa inona henjika avy any aoriakoTohizako foana ny ezaka ataokoTsy maintsy tanterako ny faniriako Na iza hitsivalana sy hanambanyNa iza hanakivy sy hisetrasetraNy sori-dalako tokana ihanyNdeha hanatratra an'ilay tarigetra … Continuer à lire Tarigetra
Reraka
Indraindray aho mahatsiaro vizana sy reraka Kelikely aina torovana tanterakaHany tiako atao dia mandry am-pandrianaHianoka fotsiny anaty fatoriana Tsy sanatria marary na koa hakamoanaFa vizan'ireo zava-marobe izay manoloanaMila miala sasatra, mila maka ainaAnaty zava-boary mampilamin-tsaina Avela izay tsy vita fa ampitso indray miarina Anio aloha hatory ny saina koa amboarinaNy asa tsy ho tapitra ny hatrehana tsy … Continuer à lire Reraka
Ankafizo ny fiainana
Moa va re mba fantatrao fa amin'izao ora izao misy olona mijaly any anaty hopitaly Tsy afa-miarina am-pandriana na dia manam-paniriana mba hivoaka isan'andro na maraina na antoandro. Na ny tongotra aman- tanany tsy afa-miasa ho an-janany. Tsy afaka mba miala voly na hamonjy ny tempoly. Eny indrisy tsy afa-bela Ny aretina no tsy mamela … Continuer à lire Ankafizo ny fiainana
Misy antony
Misy antony matoa mbola velona sy miaina Nomena vatana sy hery ary koa fanahy sy saina Matoa mahazo tombon'andro ijanonana eto an-tany Dia tsy tonga hoazy akory izany rehetraretra izany Misy antony avokoa izay mitranga amin'ny fiainana Na ny hiakam-pifaliana na ny sentom-pitarainana Ts'isy koa kisendrasendra fa samy manana ny anjarany Fandalovana ny eto ka … Continuer à lire Misy antony
Ny ankaniko
Endrey izato ankaniko Tiako sady mamiko Vokatry ny herim-poko ary koa ny fisasarako Ao ny ahy no misy ny tena fahasambarako. Ka na tsara sady raitra mahasarika manaitra ireo trano be mijoalajoala sy efa maro mpahalala hitako any am-pandehanana any Ny ahy ny tranoko hafa ihany Tena tiako sy lalaiko Io no lova mba avelako … Continuer à lire Ny ankaniko
Mahaiza mionona
Maratra ery ny fo raha ilaozan'ny havan-tiana Lasa nodimandry any amin'ny varo-tsy mifody Na aza anefa izany aoka hanaiky am-pitoniana Manko izy lasa aloha f'ianao koa mbola hody Tsarovy fa tsy misy haharitra ho mandrakizay Fa fandalovana ihany ny fiainana eto an-tany Tsy maintsy mbola antsoina hody any amin-dRay Ary any tsy hisy intsony ny … Continuer à lire Mahaiza mionona
Misaotra Azy
Misaotra an’Andriamanitra aho fa mbola velon’aina Mbola afaka miteny aho sady afaka misaina Ny masoko mahita ary ny sofiko mandre Ny tanako afa-miasa, ny tongotro mandeha Misaotra an’Andriamanitra aho nomeny anareo namako Misaotra Azy indrindra noho ny amin’ireto zanako Sy noho ny ray sy reniko ary vady andefimandriko Tsy adinoko ihany koa ireo zokiko sy … Continuer à lire Misaotra Azy









