Catégorie : Tanindrazana

Halam-bahoaka

Halam-bahoaka

Mafy koa raha mafy izany halam-bahoaka, satria dia milefa mandositra mitsoaka, tsy mahavita mijanona eto akory, tsy mahita tory, mahia fotsy hatsatra, ny fo sy ny saina tsisy fialan-tsasatra Vao misokatra ny vava ka te hikabary, dia indro fa asehon'ny vahoaka miharihary,  ny tsy fitiavana azy intsony.  na ny mijery azy aza mankalonilony. Mafy tena … Continuer à lire Halam-bahoaka

Mpiady seza

Mpiady seza

Vao vita izao ny tolona, dia tsy maintsy misy olona handeha hihazakazaka hitady seza. Maro izy ireny tsy mijanona eo mateza, fa tetezamita ihany, satria tsy mba mety ho voafidy izany   Ireo ilay mpijapy tolona hatrizay Misy fandresena dia iny miolomay Midina eny an-kianja hono hikabary,  dia eny ambony sehatra midongy alaina sary.  Nandritra … Continuer à lire Mpiady seza

Badoda

Badoda

Badoda dia anarana foronina, satria mora tononina, entiko ilazana ireo ampahan'olona, mpamono ireo tanora milahatra mitolona. Manampatra ny heriny sy ny vavabasy Tsy menatra midaroka mamono malagasyManaraka fotsiny ny baikon-tsonegaly, dia tsy mijanona mihitsy mampijaly, ireo tanora mitaky fahafahana  Mamerina ao an-tsaina ny androm-panjanahana   Ilay fanjanahan-tany nataon'ny vahiny, no indro toa miverina indray ankehitriny … Continuer à lire Badoda

Mitomany

Mitomany

Malahelo aho mahita izato firenekoMaizina ny zavatra hitako sy reko Ny jiro tapatapaka, tsy misy koa ny rano Mitaraina aby ny isan-tokantrano Sahirana ihany koa ireo orinasa Mafy ny mahazo ny mpianatra sy mpiasaSatria isan'andro dia delestazy Ny vahoaka mihitsy no toy ny voasazy Kanefa vao mijoro sy mba mitaraina  Dia indro fa vonoina, darohina … Continuer à lire Mitomany

Aleoko ihany

Aleoko ihany

Tsara aty ampita eTena tsy azo lavina fa hiaraha-mahita,ilay fandrosoanaTanteraka aty ilay fanatontoloanaLafatra aok'izany ny fanajariana Izay jeren'ny maso zary mahavariana Ny fiara misosa amin'ny lala-mikodàna Ny ankamaroan'ny olona manaraka lalàna Tsara karakara ny fahasalamana  Madio tsisy vovoka eran'ny tanàna Misy kolikoly fa tsy tafahoatra Rariny aty raha mivelatra mivoatra Ny jiro sy ny rano efa mandeha … Continuer à lire Aleoko ihany

Vahiny

Vahiny

Isika malagasy rehefa handray vahinydia iny fa sarotiny tsy te hahazo tsinyManala ireo maloto fahita hatram'izayTena miolomayLasa mandray kifafa Tsy misy mihafahafa fa hatramin'ny olobe mazoto mamafa tokotany sy arabe Tsy hanihany izany fa hiaraha-mahita  Vahiny manankaja no ho tonga avy any ampita dia madio tsisy pentina izay jeren'ny maso Nefa isan'andro manao andraso andraso Tsy vaindohan-draharaha … Continuer à lire Vahiny

Voalohany

Voalohany

Voalohany isikaManakoako hatrany ampita,voarakitra ho tantara,fa voalohany i Madagasikara Saingy tsy voalohany amy zavatra mba tsara,fa izy no mahantra indrindra eran-tanyTsy honohono akory no tsy hanihanyFahafahambaraka tsy misy toy izanyMihemotra hatrany ilay firenenaNa izaho tsy mpitondra aza dia manongo tenaMahatsiaro menatra sy marary foLasalasa saina hoe nahoana mihitsy moa?Asa ry zareo raha mba toy izany koaIzao … Continuer à lire Voalohany

Leo

Leo

Kivy ny vahoaka Be no te hitsoakaHandositra any ampitaSatria hono tsy hitaintsony izay mba tsaraeto MadagasikaraNa ny jiro sy ny rano aza tsisy eto an-tanànaToy ny very hevitra hatramin'ny fanjakanaAiza ho izao irony fampanantenanaTsy tò ireo veliranoMaina sady  maizina isan-tokantrano Vizana ny olonaMaro no mitsangana amin'ny alina mitolonaManakatsakan-dalana sy mandoro afo satria ilay Jiramaty koa mbola vidiana lafo Leo … Continuer à lire Leo

Bidon jaune

Bidon jaune

Mikaikaika ny vahoakaIndreo fa misafoakanoho ny tsy fisian'ny rano.Mimenomenona ny isan-tokantranoMahatsiaro vizana sy miferinainasatria isan'andro, na hariva na maraina dia zara fa mandeha,tsisy rano mitete amin'ny robinet.Be ny miandry rano fa tsy afaka matoryMainka mihasosotra ny fony efa oryNy hany vahaolana hita hatraiza hatraizaNa ho an'ny lehilahy na viavy vao mitaizaNa olona efa antitra na olona tanoraIndreny … Continuer à lire Bidon jaune

Fitafy gasigasy

Fitafy gasigasy

Maro no mahay ireo mpanjaitra malagasy saingy dia betsaka no mangasihasy. Satria ankehitriny, mitobaka eny antsena ny fitafiam- bahiny. Moramora vidy sady koa be mpakafy Indrindra fa irony antsoina hoe fripery. Sahirana arak'izany fa vitsy mpakamamy, ireo mpanjaitra, malagasy ranoiray, satria ny fitafy avy any dilambato indray no ifanotofana henjehina jifaina, na olona tsy nianatra … Continuer à lire Fitafy gasigasy