Catégorie : Tanindrazana

Vazaha taratasy

Vazaha taratasy

Betsaka tokoa isika malagasyno malahelohelo sy mangasihasy,rehefa mba mahita ny any ampita any,lasa ambiroa tsisy toy izany. Manontany tena hoe fa dia nahoana loatrany firenen'ny hafa no tsara sy mivoatra?Ny an'ny tena kosa tsy misy fandrosoana Milona anaty aizina sy ny habadoana Indrisy, tsy mitsahatra mikoroso fahanaVahiny sy olom-bitsy no mahazo vahana F'inona mihitsy ary no mahazo antsikaMatroka … Continuer à lire Vazaha taratasy

Tsy mahay

Tsy mahay

N'inona n'inona ambaradia voarakitra ho tantarailay resa-panadinanaHeloka ny fahanginanaManoloana ny tandrevaka nataon'ny fitondranaNisavoritaka tokoa ilay fanadinam-panjakanaNivoaka aloha ny laza adinaka marobe ireo mpiadinano tsisy fitonian-tsaina. Labozia no nampiasainasatria dia tapaka ny jiro noho ny delesitazy Na ny labozia koa aza  mbola samy naka  ny azyTsy mba rariny intsony, mafy ny manjo ny ankizy Ny hatsiaka etsy andaniny mamirifiry … Continuer à lire Tsy mahay

Tsy iriko

Tsy iriko

Tsy irikoAry tsy tiako  Eny tsy ekeko Raha ny fireneko No entin'ny vahiny Aoka re tsy ho tsiny Fa laviko iny olona iny. Raha toa koa re izy nahavita Ka nanao izay mba nahatafita Ny vahoaka nitolona sy niady ho azyDia angamba koa izaho mba faly sy korazySaingy dia mampalahelo mihitsy anie indrisy Fampahantrana ny vahoaka izao aloha no misy  Rasamy

Mahasosotr’ahy

Mahasosotr’ahy

Manao ahoana i Dadabe!Manao ahoana ise!  Etsy kely angeKivy aho mijery vaovaon'ny teleIsan'andro izao tsy misy vaovao tsaraRatsy avokoa no hita eto MadagasikaraAiza ve leity ka hatramin’ny kompaniaIlay nantsoina hoe voron-tsara diaRava sady fongana, toa tsy misy intsonyDia toy izany koa irony lalam-be ironyNa an-tanàn-dehibe, na lalam-pirenenaSimba be daholo mampanongo tenaHitako teo koa izaoHoe inona hoy ianao … Continuer à lire Mahasosotr’ahy

Manabado vahoaka

Manabado vahoaka

Eto Madagasikara, ny tena fahavalodia tsy akory hoe malaso sy dahalona ireo mpangala-botry sy mpanendaka eny an-tsenaf'ireo sasantsasany mpambotry firenenaManao ampihimamba ny fandraharahanaTsy maty manota fa ambonin'ny  lalànaManondrana harena tsy misy fitsaharana Indrindra koa mamotika ny seham-pampianarana Tsy mitarika ny olona handinika hisaina fa vola fafy katrana ihany no ampiasainaManao fanahiniana  manabado ny vahoaka Manambitamby lava amin'ny vary iray … Continuer à lire Manabado vahoaka

Lany olomanga

Lany olomanga

Lany olomanga ary ve ny firenekoMankarary fo ny zavatra mba rekoMomba ireto olona nomena fahefana Mampivarahontsana ny resa-pitsarana  Izy samy izy ihany no miady an-tranoTantara tena misy, tsy abobo na anganoAnaty tambazotra, mivoaka an-gazetyMiharihary ao ireo zavatra tsy mety Voatonontonona aby ireo olona ambony Tsiambaratelo maro tsy voatana intsony Na halatra, na hosoka, indrindra kolikoly Mitohy ny tantara, zary … Continuer à lire Lany olomanga

Ny eto an-tanàna

Ny eto an-tanàna

Ny eto an-tanàna leisy tena hafa mihitsy Ialahy raha vao miteny tsy mitsitsitsitsyFa mananatranatra tanora mba ho hendry Dia tsy ampahafiriny hono fa mianakendry Eto an-tanàna ialahy raha toa manan-kataoDia misy mialonalona fotsiny amin'izaoLazainy fa mpangalatra, tsy manao ny marina Ny haren'ialahy indray no tiany angalarina  F'eto an-tanàna koa raha toa ialahy mahantraDia aza manantena hisy olona hihantraMainka ialahy … Continuer à lire Ny eto an-tanàna

Pasipaoro

Pasipaoro

Eto Madagasikara dia mijaly ilay vahoakaKanefa raha mahita lalana hivoakaDia loza no manjoTsy moramora koaFa na ny pasipaoro aza sarotra alaina Mahavalalanina sy mahalasa saina Voaozona ary ve isika malagasy Aiza k'isaky ny mikarakara taratasy Dia mipenipenina mila hitomanyNefa anie rey olona ka n'aiza eran-tanyTsy olana mihitsy izany pasipaoro izany eTsy akory ilay izy hoe maimaim-poana Fa  vola be miala … Continuer à lire Pasipaoro

Mifamono

Mifamono

Indrisy re rey olonaIzao izany sisa ny vokatr'ireo tolonaTolona natao hahazoana fahefanaNanitsakitsahana didy aman-dalànaNisy ny nandresyDia nisy koa ny resyIreo mpandresy moa nahazo fanjakanaManjakazaka ery fa azy ny tanànaIreo resy kosa manohy toy ny hatrizay Mitady fomba rehetra hiverenana indrayMisy dinaozaoro tsy miova mankaleoTompon'antoka eny amin'ny zavatra misehoMiverimberina e... mitovy ny tantara Mampikoroso fahana an'ny Madagasikara  Ny … Continuer à lire Mifamono

Mifona re

Mifona re

Gina re ny maro, tsy mahateny intsony Maheno ny kabarin'ny mpitondra ambony F'izy tsy matahotra ny mpifaninana aminyNy sasany hono latsaka hatramin’ny amaniny  Tao aorian'izay dia nikabary ihany koaLehilahy iray milaza hilatsaka ho FilohaF'izy tompon-daka amin'ny resaka judoTsy "fake" hono izany fa navoakan'ny radio Mifona re rey olona hitondra fanjakana ôAleo mba ny fahaizana sy ny fahalalànaMiampy finiavana sy ny fahendrenaNo … Continuer à lire Mifona re