Catégorie : Tanindrazana

Ramalagasy

Ramalagasy

Eny hoy aho ramalagasyIzato ianao mangasihasyManoloana ireto harenaTena maro sesehenaÔ indrisy mahonenaFa tsy misitraka akoryMainka aza ianao toa oryMiaina anaty fahantranaVizana sy mihanahana Isan'andro vaky izaoDia misy harena lovanaoMiondrana mankany ampitaSaingy any dia tsy hitaLasan'ny mpanararaotraF'ianao mangina tsy mitroatraSatria mangina volamenaDia tia manetrinetry tenaAmbakainy an-kafetsena Rahoviana ianao vao ho taitraFa na mangidy sy mafaitra No iainanao … Continuer à lire Ramalagasy

Miankin-doha

Miankin-doha

Moa mahaleotena va re ny firenena sa aleo dia tsorina amim-panetren-tenafa mbola ambany ziogan'ny mpanan-karena baikon'ny vahiny fa tsy mahabaiko tena Tsy mety mba tafarina fa vizana sy solaMiankin-doha tanteraka amin'ny mpamatsy volaNy mpitondra no afaka miliba sy midolafa ny vahoaka kosa efa miondrika sy tola  Miezaka ihany mba mitolona miadyMila tsy hitraka mihitsy fa mandadyMaro loatra mantsy … Continuer à lire Miankin-doha

Voafehy sa tsia ?

Voafehy sa tsia ?

Moa va re voafehy ity aretina ity? Misy mantsy olona mieboebo ery Milaza ombieny ombieny fa tena mahavita Resintsika lavitra aza hono ny any ampita Volabe koa hono no azo avy any andafy Kanefa ny mpitsabo toa zary mihafihafy Tsy ampy ny fitaovana sy ny fanafody Ny olona marary aza mangasihasy mody Mahay mandahan-teny tsisy … Continuer à lire Voafehy sa tsia ?

Aiza ny marina?

Aiza ny marina?

Mbola ho hita ve ny marina tamin’ny vola nangalarina nalefa anio sy omaly any am-paradisa fisikaly? Mbola ho hita ve ny marina ka ho gadraina sy tratrarina ‘reo adala mafy hatoka nanimba sy nandoro vakoka? Moa tena tsy hita ve ny marina sa mody sarotra takarina nefa rà mandriaka miharihary toy ilay fito febroary? Rahoviana … Continuer à lire Aiza ny marina?

Tsisy teraka ho resy

Tsisy teraka ho resy

Alefa Barea, alefa foana foana Tohananay hatrany na ahoana na ahoana Misandratra avo izao ny voninahim-pirenena Satria ny Barea dia nibata fandresena Na be ny nanatsatso sy nanambanimbany Barea tsy taitra fa nandresy foana ihany Tampina ny vavan’ireo zatra nanankiana Manko hafa mihitsy ny herin’ny firaisan-kina N'iza n'iza ekipa miseho azy ho mafy toto Dia … Continuer à lire Tsisy teraka ho resy

Fitiavan-tanindrazana

Fitiavan-tanindrazana

Ny fitiavan-tanindrazana dia ny fananana finiavana manohitra amin’ny heriny ny fanjakazakam-bahiny toy izay nataon’ireo razambe fahiny. Ka na toa aza izany mety haningotra ny aina dia miady hatramin’ny farany tsy arahina taraina. Manao ho zava-dehibe ny fiandrianam-pirenena Mba tena ho to tokoa ilay hoe fahaleovan-tena. Ny fitiavan-tandrazana dia ny fahaizana mifehy ihany koa ny Tenindrazana. … Continuer à lire Fitiavan-tanindrazana

Alefa Barea

Alefa Barea

Alefa alefa barea Mahasahia fa lehilahy e Atao ambony be ny saina Sanatria ny hiferinaina N’iza n’iza mpifanandrina Aoka ho kinga sy hitandrina Tsy matahotra hifandona Alefa miaraka mirona e Zahay hanohana hatrany Barea foana ihany Na favy aza i Nigeria Zahay maka Barea Na henjana aza i Burundi Zahay dia mbola hankafy I Guinée … Continuer à lire Alefa Barea

Malala-tanana

Malala-tanana

Ho avy indray ny fifidianana k’indreo malala-tanana tampotampoka eo. Mahay manambitamby sy mampiaka-peo ireto olona milaza hilatsaka hofidiana. Moa va tsy mahavariana? Toerana maloto tsy falehany hatrizay no indro ifanotofany tsidihina indray. Dia raisiny ny angady Na aza andro alahady Dioviny ny tatatra sy ny lalan-kely Izany ka filamatra sy olona modely Mihosona maloto ilay … Continuer à lire Malala-tanana

Iarivo dibo-drano

Iarivo dibo-drano

Dibo-drano indray izato ianao r’Imerina Rava ilay tanànan’Andrianampoinimerina Satria ireo noheverina hanatsara sy hanamboatra, no mainka mampitroatra, ny zavatra nataony. Manko tsy nahoany, fa ny lemaka rehetra fivarinan-drano no tsy nananany antra, navadiny ho trano. Nototofany avokoa, fa tsy namakiany loha, ireo tany lemaka nampiavaka an’Iarivo. Manjakazaka tokana ireto mpanarivo Manampatra ny volany sy ny … Continuer à lire Iarivo dibo-drano

Ho tò anie ny veliranony

Ho tò anie ny veliranony

Raha toa aza tsy lany ilay nofinidinao Ny didim-pitsarana no arahintsika izao Aoka ianao tsy ho kivy, na koa harary fo Manko tokana ihany no tsy maintsy atao Filoha   Tsarovy fa ny fiainana dia tsy mifarana eo Ny resam-pifidianana no tapitra hatreo Aleo ny pejy hivadika, hiova ho hafa indray Ady amin'ny fahantrana no … Continuer à lire Ho tò anie ny veliranony