Catégorie : Tanindrazana

Nanonofy

Nanonofy

Endrey ny hankatonao re ry VohitsaraEfa tany sambatra tokoa i GasikaraFeno fandrosoana, milamina ny tanyNy mpitondra hendry tsisy toy izany  Hafa ny taloha f'efa niova ny tantara Ny vokatra nitombo, ny ariary nihatsaraTsisy kolikoly na fisaraham-bazanaMiharihary be ny fitiavan-tanindrazana Ny ankizy sy tanora miditra an-tsekolyLasa nihavitsy ny karazana tempolyOrinasa gasy no mameno ny tanàna  Resy ny … Continuer à lire Nanonofy →

Tohatra fiakarana

Tohatra fiakarana

Rehefa tsy anaty fitondranaizy ireo ry bandy akama,  dia ny vavany malama,mitsikera fanjakana  Voatanisany daholoireo toetram-borondolon'ny mpitondra manontoloTena mampitsangam-bolo Fa raha vao azony ny seza ny takolany mihangeza, dia lasa miabo be ny sainy, miova mihitsy izay lazainy Ny mainty ataony fotsifotsyNy feony koa mandrotsirotsyNy fiainany no nihatsara Dia adinony aby ny tantara  F'ianao ry akama mba ahoana Moa mpanohana eny … Continuer à lire Tohatra fiakarana →

Halatra miharihary

Halatra miharihary

Halatra miharihary  Miharihary ny halatra, tsisy fiafaranyTena miompampana tsisy toy izanyMahazo fahefana dia maka izay tianyNefa dia izany no nenjehina fahiny Tsisy henatra intsony fa maka tsy mieraMihinana izay laniny tsy mitaveraveraMiseho mibaribary fa tsy mba honohonoAlainy hatramin’ny vola fisotroan-dronono Miliara marobe no efa very hatram'izayNy vola fanampiana misy tsy hita sy tsy hayValaka ny … Continuer à lire Halatra miharihary →

Afa-baraka

Afa-baraka

Tena ginagina ny vahoaka manontoloNa tambonivohitra na tambanivolo Misafosafo loha dia mila tsy hahatenyMahita ireto loza manjo ny fireneny Vao lasa ny haitany dia tonga indray ny loza Valala, tondra-drano ary koa ny rivodoza Ny fahoriam-bahoaka efa tsy lazaina intsony Variana miady an-trano nefa ny olona ambony Isan'andro izao eny anaty fesibokyTantara mahagaga toy ny mamaky bokyMiseho daholo ny henatra … Continuer à lire Afa-baraka →

Olo-mendrika

Olo-mendrika

Ny olona iray rehefa tsy alehanydia izao no fandehanyManilika andraikitra foana amin'ny hafaary tsy mba menatra na mihafahafamilaza sy miteny fa izy dia somparanaMatetika izy ireny tsy dia nandia fianaranaTsisy mba voafehiny izay zavatra lazainyTsy mahataka-davitra loatra moa ny sainyHany ka tsy vitany ny famahàna olanaka na mihodina ny taona, ny andro sy ny volanavitsy … Continuer à lire Olo-mendrika →

Rivodoza

Rivodoza

Io indray ilay rivodozafa mitera-dozaho an'ny firenenaTena mahonenafa simba izay jerenaPotika tanteraka ihany koa ny toe-karenaNy rivotra mifofo, ny oram-be mirarakaRavany ny trano, ny tafo moa manaraka Mitondra ny takatra ireo fotodrafitrasa Mihidy ny sekoly, mijanona ny asa  Izay ilay rivodoza voajanahary Tsisy azo atao f'izay voany dia marary Fa misy ihany koa "rivodoza" anankiray Tena mampahantra ary koa  mampikolayAtaony midaraboka izay te … Continuer à lire Rivodoza →

Afobe sa paradisa?

Afobe sa paradisa?

Hafahafa mihitsy raha i MadagasikaraBe toeram-paradisa malaza tena tsaraVitsy mbola vitsy anefa ny mpizaha tany Ny gasy koa indrisy tsisy vola amin'izany  Voahodidin-dranomasina feno hazan-dranoFa tsy milaoka trondro ny  isan-tokantrano Ny harena moa miavosa ao ambany tanyKanefa ny vahoaka mahantra foana ihany  Ny trano fiangonana hipoka etsy sy eroaNy ankamaroan'ny gasy mpivavaka avokoaKanefa mahagaga fa mainka koa sahirana Ny fiainam-pirenena … Continuer à lire Afobe sa paradisa? →

Gasikarako

Gasikarako

Kanto loatra ianao ry tanikoTsy atakaloko na ovianaTena tiako sady mamikoSatria tany nihaviana Na tsara aza ny any ampitaMandroso sy manan-karenaEto aho no hiezaka ho tafita Ho sambatra an-tanin-tena  Nitsangatsangana aho no tanyNianatra sy niasa koaKanefa vetivety ihanyNiverina nitodi-doha Eto mantsy no anjarako Teto no niandohakoTohizako eto ny tantarako  Eto koa no hiafarako Rasamy

Kanosa

  Any mantsy ianao ry MadagasikarakoIlay tany nihaviako nilatsahan'ny tavonikoIzaho aty andafy no hanohy ny tantarako Nandositra aho mantsy fa aleo dia tsoriko  Marary be ny saiko, ny fo indrindra koaMahita anao ambany tsy mety ho tafarinaIzay vaovao jereko toa ratsy avokoa Ny vahoaka anaty fahantrana lalina Nahoana no toy izao re ianao ry NosinayMalahelo mafy aho ary … Continuer à lire Kanosa →

« Air Madagascar »

« Air Madagascar »

Ô indrisy, ô indrisy,fahatsiarovana no sisarehefa injay mba mitanisaan’ireto voromby an’ny Madagasikara Vita hatreo ny tantaraf’ilay lazaina ho tara lavadia indro potika sy ravatena vizana sy rerakaEny fongana tanteraka Izao no vokatry ny tolonasy grevy ataon'ny olonaEny indrisy mahonenafa nopotehina nohosenailay fananam-pirenena Tsisy Air Madagascar intsonyHoy ireo olona ambonyFa novainy nosoloinyMainka hiharatsy sa hihatsara?Ny tantara no … Continuer à lire « Air Madagascar » →