Faly aho androany fa afaka nifidy Nandeha nihazakazaka namita ny adidy satria mahatsiaro tena fa olom-pirenena. Tsy olona nigadra aho na noverezin-jo ary olona hary saina sy ampy taona koa. Ka nahoana moa no tsy hamita ny adidiko? Tsy omeko olon-kafa mihitsy ny safidiko Na ho lany na tsy ho lany izay olona fidiako Tokana … Continuer à lire Nahavita adidy
Catégorie : Tanindrazana
Ny teo ihany no hiverina
Tena zendana ny saiko, ô mararirary ny aiko, mahita anao ry fireneko toa mahantra foana hatreto. F'izay nahazo fahefana, nampanantena fahagagana, mainka koa nanampy trotraka, nandavo anao izay efa motraka. Fa vao mainka aho variana lasa saina aho ginagina, tena mihivingivin-doha, f’ireo mpitondra teo aloha, nitarika ny fandravana, noho ny adim-pahefana, no nofidian’ny maro an’isa. … Continuer à lire Ny teo ihany no hiverina
Hifidy ianao kanefa
Hifidy ianao kanefa, ... Ny safidinao, aoka tsy hiantefa amin’ny efa voaporofo fa ratsy sy maloto, nanimba firenena tamin’ny loham-boto. Ny olona toy izany dia mendrika hosaziana Sazy mendrika azy, ilay izy tsy fidiana Koa mahaiza ianao mifidy Isika ihany mantsy no hizaka ny mangidy Hifidy ianao kanefa, ... Ny safidinao, aoka tsy hiantefa amin'ireo … Continuer à lire Hifidy ianao kanefa
Volabe avy aiza?
Mba vola avy aiza loatra Fa tena tafahoatra No ampiasain'ireto mpilatsaka hofidiana Moa va tsy toy ny rano misosa mikoriana Toa tsy mba mety ritra, ka tena mahavariana. Kanefa he jereo anie izato firenena Mahantra farahidiny, mampanongo tena Ka vola be avy aiza 'ty mirarakopana ity re ry sakaiza? Vola avy amin’ny rariny, azo tamin’ny … Continuer à lire Volabe avy aiza?
Fanatika
Aiza ianareo hoy ilay mpanao politika Indreto izahay hoy ireo fanatika Hiaraka hameno kianjabe indray isika Izahay efa vonona hoy ny fanatika Kabary lavareny dia arahina mozika Tena revinay izany hoy ny fanatika Na andro avy orana na andro mibaliaka Izahay ho avy foana hoy ny fanatika Raha te hahazo fahefana dia efa hainareo ny … Continuer à lire Fanatika
Te ho Filoha daholo
Hirotsaka filoha hono izy satria efa minisitra Misy koa hilatsaka satria hono artista Na ry pasitera aza efa ao anaty lisitra Mainka moa f’ireo efa nanao praiminisitra Hilatsaka ihany koa ny lehilahy avy any andafy Dia misy lahiantitra efa manan-jafiafy Dia misy koa vehivavy iray nitaingina sarety Ary ilay mpitsara vao nalaza vetivety Filoha amperinasa … Continuer à lire Te ho Filoha daholo
Mora manadino
F’angaha tsy vao omaly ny vahoaka no nijaly? Nanehoany ny heriny sy ny hadalany Nataony sorona aza ka latsaka ny rany Nanaovany amboletra ka nalainy an-terisetra ho lasa teny an-tanany toy ny hoe fananany mantsy ilay Fitondrana. Tsy nisy fifidianana na koa hoe teny ierana fa olona fangoloka mpanongam-panjakana. Kinanjo nony azony tokoa ilay fahefana … Continuer à lire Mora manadino
Ô ry Madagasikarako
Na tapitra handao sy hanadino anao aza izao tontolo izao ô ry Madagasikarako. Dia izao ihany no ambarako Ianao no efa anjarako Sady tany niandohako no mbola toeran-kiafarako ka sanatria raha hoe hialako. Koa aoka ianao tsy hanahy fa ny fo sy saiko amam-panahy s’izay rehetra momba ahy dia hanompo anao eto foana. Ka na … Continuer à lire Ô ry Madagasikarako
Mitaky fiovàna
Nahoana re nahoana no toa mitovy foana ny fizotry ny tantara eto Madagasikara. Satria, .... vao manomboka mitràka sy mihamahazo faka izato fiainam-pirenena, dia indro indray krizy manimba toe-karena. Misy ireo milahatra mankeny an-dalambe Miziriziry mafy tsy mety mba voafehy Mitokona isan'andro, mitaky fiovàna Miandrandra fanavaozana, mitady fihatsaràna. Dia roboka ny maro. Mikiaka ny iray … Continuer à lire Mitaky fiovàna
Samy diso
Manorisory sy manirikiry Ireto milaza ho mpanao politika Misisika mafy ary minia mikiry Kanefa tsy hita izay zavatra vita Samy miseho ho tia tanindrazana Samy milaza ho tia firenena Kanefa dia hita ary tsinjo sy tazana Ilay fitiavan-tseza sy fitiavan-tena Ny andaniny milaza ho tena mahay Mihambo ho mbola tsy nisy toa azy Kanefa mangalatra … Continuer à lire Samy diso








