Catégorie : Tanindrazana

Mitaky fiovàna

Mitaky fiovàna

Nahoana re nahoana no toa mitovy foana ny fizotry ny tantara eto Madagasikara. Satria, .... vao manomboka mitràka sy mihamahazo faka izato fiainam-pirenena, dia indro indray krizy manimba toe-karena. Misy ireo milahatra mankeny an-dalambe Miziriziry mafy tsy mety mba voafehy Mitokona isan'andro, mitaky fiovàna Miandrandra fanavaozana, mitady fihatsaràna. Dia roboka ny maro. Mikiaka ny iray … Continuer à lire Mitaky fiovàna →

Samy diso

Samy diso

Manorisory sy manirikiry Ireto milaza ho mpanao politika Misisika mafy ary minia mikiry Kanefa tsy hita izay zavatra vita Samy miseho ho tia tanindrazana Samy milaza ho tia firenena Kanefa dia hita ary tsinjo sy tazana Ilay fitiavan-tseza sy fitiavan-tena Ny andaniny milaza ho tena mahay Mihambo ho mbola tsy nisy toa azy Kanefa mangalatra … Continuer à lire Samy diso →

Leo sy tofoka

Leo sy tofoka

Tena leo sy tofoka fa tsy afaka mikofoka ny Vahoaka tan-dalàna nohon'ny ataon’ny fanjakana. Manampatra ny heriny sy ny fahefany mba hifikirany amin’izato fitondrany. Nefa feno fangalarana sy fitiavan-tena Mieboebo fatratra, tsy manetry tena. Tsy mba zatra mihaino, fa manao be marenina Mbola miziriziry sy sarotra tenenina Ny fihetsiny rehetra dia tena higagana fa manome … Continuer à lire Leo sy tofoka →

Resy ny mangina

Resy ny mangina

Maro ny olona mangina fa malaina ny hiteny Miharitra tsy fidiny izay zavatra miseho Koa tsy mahagaga raha ny mpandainga lavareny No tokana manjaka satria mampianka-peo Maro ny olo-marina fa mitavozavoza Sadaikatra hamoaka izay mba ao an-tsainy Mibitaka noho izany iretsy olon-doza Na dia fafy lainga aza no zavatra lazainy Maro no mikatsaka ny mahasoa … Continuer à lire Resy ny mangina →

Menatra aho

Menatra aho

Menatra aho mahita ireto zanantsika fa na eto na any ampita, ka mba mahay taratasy dia tsy miteny malagasy. Hany ka mangasihasy ny Raibe sy Renibeny sadaikatra hiteny izay mba ao am-pony satria tsisy hainy intsony izay lazain'ireto zafikeliny. Mantsy hafa ny fiteniny. Menatra aho mahita izato tanindrazantsika mahantra farahidiny mizaka izato ngidin' ny fitiavan-tena … Continuer à lire Menatra aho →

Manina te hody

Manina te hody

Any izay ilay raiko, ilay dadako malala Mandroaka mora ny omby, hiditra ao am-bala Mantsy takariva izao ny andro any an-tanàna Izaho tsy maintsy mianatra, manovo fahalalàna Any izay ilay reniko, mamako tsy foiko Manokona nahandro, tsy mba ho adinoiko Mahatsiaro ho mangingina, mitady zafikely Izaho anefa ity mbola mpitovo manirery Any izay ny alikako, … Continuer à lire Manina te hody →

Manam-pahefana

Manam-pahefana

Dada ô, aty ampita aty ny hoe manam-pahefana dia toy ny olona rehetra, ambanin’ny lalàna, sady olona misaina sy manam-pahalalàna, ka tena tsara tantana ery ilay Fanjakana. Ny anarany tsy fampiasa hanaovana hadalana na fitaovan-kolikoly anaty fandraharahana ka na ny namany aza dia tsy asiany fihantràna raha toa ka voasaringotra eny amin’ny fitsarana. Raha toa … Continuer à lire Manam-pahefana →

Vahoaka sy mpitondra

Vahoaka sy mpitondra

Vahoaka jenjina sy midororororo Mpitondra etsy andaniny sarotra atoro Vahoaka tsy faly sy be menonenona Mpitondra marenina saro-tenenina Vahoaka efa zatra mpanao tatasiaka Mpitondra mandreraka sy manaliaka Vahoaka beloha sy tia gaboraraka Mpitondra mampiady sy tia mampisaraka Vahoaka tsy tia manara-dalàna Mpitondra tampohan'ny fahefana Vahoaka sorena tsy mety afa-po Mpitondra tia tena sy toa ratsy … Continuer à lire Vahoaka sy mpitondra →

Ô ry zanak’Iarivo !

Ô ry zanak’Iarivo !

Ô ry zanak’Iarivo, aok’izay ny fandeferana Mifohaza amin’izay hiatrika ny fanarenana Ampy izay ny fandravana ireo vakoka sy lova Efa may Andafiavaratra, toy izany koa ny Rova Aza manaiky atao fitaovana, hahazoana fahefana Ka Iarivonao no sorona, rava foana higagàna Raha tsy rotiky ny afo, dia fandrobana mankalao Ô ry zanak’Iarivo, tsy manakambo va ianao … Continuer à lire Ô ry zanak’Iarivo ! →

Voankazon’i Gasikara

Voankazon’i Gasikara

Raha voankazo no resahina dia be no azo ambara Paradisa kely mihitsy raha i Madagasikara Indrindra moa fa eto Iarivo sy ny ao Antsirabe Tena mahasambatsambatra sy mampirehareha Rehefa volana desambra, mitobaka  ny letisy Sady mora vidy izy eo no tsara kalitao ery Mampiavaka ihany koa ny vaninandro krismasy Fihinanana ireo paiso no tsaroan'ny malagasy … Continuer à lire Voankazon’i Gasikara →