Tena leo sy tofoka fa tsy afaka mikofoka ny Vahoaka tan-dalàna nohon'ny ataon’ny fanjakana. Manampatra ny heriny sy ny fahefany mba hifikirany amin’izato fitondrany. Nefa feno fangalarana sy fitiavan-tena Mieboebo fatratra, tsy manetry tena. Tsy mba zatra mihaino, fa manao be marenina Mbola miziriziry sy sarotra tenenina Ny fihetsiny rehetra dia tena higagana fa manome … Continuer à lire Leo sy tofoka
Catégorie : Tanindrazana
Resy ny mangina
Maro ny olona mangina fa malaina ny hiteny Miharitra tsy fidiny izay zavatra miseho Koa tsy mahagaga raha ny mpandainga lavareny No tokana manjaka satria mampianka-peo Maro ny olo-marina fa mitavozavoza Sadaikatra hamoaka izay mba ao an-tsainy Mibitaka noho izany iretsy olon-doza Na dia fafy lainga aza no zavatra lazainy Maro no mikatsaka ny mahasoa … Continuer à lire Resy ny mangina
Menatra aho
Menatra aho mahita ireto zanantsika fa na eto na any ampita, ka mba mahay taratasy dia tsy miteny malagasy. Hany ka mangasihasy ny Raibe sy Renibeny sadaikatra hiteny izay mba ao am-pony satria tsisy hainy intsony izay lazain'ireto zafikeliny. Mantsy hafa ny fiteniny. Menatra aho mahita izato tanindrazantsika mahantra farahidiny mizaka izato ngidin' ny fitiavan-tena … Continuer à lire Menatra aho
Manina te hody
Any izay ilay raiko, ilay dadako malala Mandroaka mora ny omby, hiditra ao am-bala Mantsy takariva izao ny andro any an-tanàna Izaho tsy maintsy mianatra, manovo fahalalàna Any izay ilay reniko, mamako tsy foiko Manokona nahandro, tsy mba ho adinoiko Mahatsiaro ho mangingina, mitady zafikely Izaho anefa ity mbola mpitovo manirery Any izay ny alikako, … Continuer à lire Manina te hody
Manam-pahefana
Dada ô, aty ampita aty ny hoe manam-pahefana dia toy ny olona rehetra, ambanin’ny lalàna, sady olona misaina sy manam-pahalalàna, ka tena tsara tantana ery ilay Fanjakana. Ny anarany tsy fampiasa hanaovana hadalana na fitaovan-kolikoly anaty fandraharahana ka na ny namany aza dia tsy asiany fihantràna raha toa ka voasaringotra eny amin’ny fitsarana. Raha toa … Continuer à lire Manam-pahefana
Vahoaka sy mpitondra
Vahoaka jenjina sy midororororo Mpitondra etsy andaniny sarotra atoro Vahoaka tsy faly sy be menonenona Mpitondra marenina saro-tenenina Vahoaka efa zatra mpanao tatasiaka Mpitondra mandreraka sy manaliaka Vahoaka beloha sy tia gaboraraka Mpitondra mampiady sy tia mampisaraka Vahoaka tsy tia manara-dalàna Mpitondra tampohan'ny fahefana Vahoaka sorena tsy mety afa-po Mpitondra tia tena sy toa ratsy … Continuer à lire Vahoaka sy mpitondra
Ô ry zanak’Iarivo !
Ô ry zanak’Iarivo, aok’izay ny fandeferana Mifohaza amin’izay hiatrika ny fanarenana Ampy izay ny fandravana ireo vakoka sy lova Efa may Andafiavaratra, toy izany koa ny Rova Aza manaiky atao fitaovana, hahazoana fahefana Ka Iarivonao no sorona, rava foana higagàna Raha tsy rotiky ny afo, dia fandrobana mankalao Ô ry zanak’Iarivo, tsy manakambo va ianao … Continuer à lire Ô ry zanak’Iarivo !
Voankazon’i Gasikara
Raha voankazo no resahina dia be no azo ambara Paradisa kely mihitsy raha i Madagasikara Indrindra moa fa eto Iarivo sy ny ao Antsirabe Tena mahasambatsambatra sy mampirehareha Rehefa volana desambra, mitobaka ny letisy Sady mora vidy izy eo no tsara kalitao ery Mampiavaka ihany koa ny vaninandro krismasy Fihinanana ireo paiso no tsaroan'ny malagasy … Continuer à lire Voankazon’i Gasikara
Ity fireneko ity
Andriamanitra ô, fa dia nahoana loatra Ity fireneko ity no mahantra tafahoatra Sady mahamenatra no mampitomany Farany amin'ireo firenena eto an-tany Izany fiainana eto, toa zary tsy mba miova Izay kely mba mijoro aza, doroina toy ny Rova Na misy fikasana, hanangana ny rava Ny vola indray no very, tsisy mba mazava Ny samy malagasy, … Continuer à lire Ity fireneko ity
Tiako ny teniko
Tiako ny taniko ary tiako ny teniko Nahaizako niantso an'i Dada sy Neny Tandroviko mafy ilay tenin-dreniko Ampianariko an-janako miana-miteny Ny teny ampiasaiko dia ny tenin-drazako Amin'ny fiainako andavanandro Satria io no teny voafehin'ny vavako Moa sitrak'ireo nahitako masoandro Ianarako anefa ny teny vahiny Satriko mihitsy aza hahay teny maro Fa halako kosa re aza … Continuer à lire Tiako ny teniko









