Catégorie : Tanindrazana

Ity fireneko ity

Ity fireneko ity

Andriamanitra ô, fa dia nahoana loatra Ity fireneko ity no mahantra tafahoatra Sady mahamenatra no mampitomany Farany amin'ireo firenena eto an-tany Izany fiainana eto, toa zary tsy mba miova Izay kely mba mijoro aza, doroina toy ny Rova Na misy fikasana, hanangana ny rava Ny vola indray no very, tsisy mba mazava Ny samy malagasy, … Continuer à lire Ity fireneko ity →

Tiako ny teniko

Tiako ny teniko

Tiako ny taniko ary tiako ny teniko Nahaizako niantso an'i Dada sy Neny Tandroviko mafy ilay tenin-dreniko Ampianariko an-janako miana-miteny Ny teny ampiasaiko dia ny tenin-drazako Amin'ny fiainako andavanandro Satria io no teny voafehin'ny vavako Moa sitrak'ireo nahitako masoandro Ianarako anefa ny teny vahiny Satriko mihitsy aza hahay teny maro Fa halako kosa re aza … Continuer à lire Tiako ny teniko →

MAY MAY MAY

MAY MAY MAY

Dia taitra ny vahoaka fa misy zavatra mipoaka Inona ary izany ? hoy ny hafa manontany. Mihoraka ny ankizy sahotaka izay tsy izy kinanjo inona indray vonjeo fa « MAY MAY MAY » MAY indray ny Rova potika ny lova rava koa ny vakoka noho ireo mafy hatoka tsy mba laitra anarina mihevitra fa fisaka … Continuer à lire MAY MAY MAY →

Ety ambanivohitray

Ety ambanivohitray

Hafa ihany lahy ny ety ambanivohitray Tanàna mangingina mandry fehizay Ny havoana mifandimby amin'ny lohasaha Na tsy paradisa aza, mba maha te hizaha Toeram-pialantsasatra madio rivotra iainana Manainga ny fanahy, mampitony ny fisainana Lavitry ny tabataba, tsara kolokolo Mamiko tsy foiko ilay ety ambanivolo Ny tanety eny antsaha, voavoly tsisy ngazana Ny tanimbary koa efa … Continuer à lire Ety ambanivohitray →

Gasikara « afobe »

Gasikara « afobe »

Kely sisa dia hifarana izato fianarana niaretana ny mafy taona maro aty andafy. Taona maromaro izay nampifangaroharo hafaliana sy tomany niampy fizahan-tany. Nanovozam-pahalalàna heverina hampandroso ny tanàna. Ka hikasa hiverina amin'izay handeha hody any aminay. Saingy, ... toa misalasala indray. Tena sadaikatra ankehitriny sanatria ve ho azon-tsiny na koa hoe ho voan'ny tody satria tsy … Continuer à lire Gasikara « afobe » →

Inona no vokatry ny tolona?

Inona no vokatry ny tolona?

Akory ny vokatry ny tolona? Matimaty foana hoy aho ny olona Miala zao dia zao Ilay fahavalo Avy eo nanjaka ny malaso sy dahalo Dia Inona no vokatry ny tolona? Naradratra foana hoy aho ny olona Iny lalan'iny lalan-tsarotra Ny firenena avy eo lasa entam-barotra Moa fantatrao ny vokatry ny tolona? Vao mainka nihanahantra re … Continuer à lire Inona no vokatry ny tolona? →

Ronono an-tavy

Ronono an-tavy

Teo eo ianareo tsy hita izay napoaka Toa variana nampijaly ny vahoaka Tsy eo indray vao misoratena ho anjely Nefa dia fangoloka tsy hita velively Naondrana daholo, ireo harena sarobidy Na volamena, na safira, hazo sy ny biby Eny hatramin’ny zaza amam-behivavy Nigalabona mihitsy ianareo mianakavy Ankehitriny, indreo fa very seza Na dia nihevitra hijanona … Continuer à lire Ronono an-tavy →

Mahantra hono hoe mahantra

Mahantra hono hoe mahantra

Mahantra hono ianao ry Taniko Izany foana no ambarany Inona no teniny amiko? Handeha hono izy tsisy farany Mahantra ianao ry Tanindrazako Izany no famerimberiny Moa henoiny izay filazako? F'efa any Andafy ny eritreriny Mahantra hono ianao ry Dago Tsy misy antenaina intsony Izaho mihintsy ve no bado? Fa ny taniny aza afoiny Mahantra hono … Continuer à lire Mahantra hono hoe mahantra →

Etsy ange

Etsy ange

Etsy ange ianao, Ilazako vaovao Hitako androany Nihaona tany ho any Hono ireo mpifahavalo: "Mapar" sy "Ravalo". Taon-dasa tsy tsaroana Ireo fifamonoana Ady sy fifamaliana Hatramin'ny fianakaviana. Tadidinao reo teny Faheno ombieny ombieny: "Iretsy ireo foza Izay nahavanon-doza Nanongam-panjakana Namotika tanàna" "Iretsy zanak'Osy Ilay nanosihosy Sady vangavanga Mpanao ampihimamba". Izany rehetra izany No re teto … Continuer à lire Etsy ange →

Rahoviana

Rahoviana

Rahoviana ny vahoaka vao hahita fiadanana Fa mangidy tafahoatra, efa ho isam-baravarana Mila tsy hahatraka intsony, trotraka sy mosarena Very mihintsy ve ny zony, tsy mba misy famonjena Rahoviana vao hiposaka, izany tara-pahazavana Ka fahasoavana no hirotsaka, mba hitondra fihatsarana Hanala ny hirifirim-piainany, tsy hahitam-panafody Mahalasa ny fisainany, vesaran-tsiny ve sa tody? Rahoviana ny maraina, … Continuer à lire Rahoviana →