Profesora

Profesora

N'inona n'inona ambaradia aoka atao mazava tsara,fa hafa foana ny toe-tsainasy ny fahaiza-mianan'ny,olona nandia fianarana. Tsy nitandro hasasarana tamin'ny asa fikarohany. Tsy hoe olona tampohany na koa tia miwerawera, anaty fitaovan-tserasera.  Tia mampianatra tanora Tsy nividy diploma mora Izay ilay hoe Profesora Koa aoka tsy ho ambaniana, fa na oviana na rahovianaary n'aiza koa na aiza,ny Profesora … Continuer à lire Profesora

RIPaka

RIPaka

Ripak'ireo olona namonjimonjy fety,F'inona loatra Ilay zavatra tsy netynohanin'izy ireo?Fianakaviana maro no indreo mitoreo,namoy ireto zanany Misy aza fongana teo ny taranany Mampalahelo loatra ny zavatra mitranga Nefa toa afenina fa tsy harangaranga izay zava-misy marina?  Inona ilay poizina mba tianay ho fantarina Moa ve tsisy intsony ny zavatra azo atao fa dia matimaty fotsiny ao ireto … Continuer à lire RIPaka

Aleoko ihany

Aleoko ihany

Tsara aty ampita eTena tsy azo lavina fa hiaraha-mahita,ilay fandrosoanaTanteraka aty ilay fanatontoloanaLafatra aok'izany ny fanajariana Izay jeren'ny maso zary mahavariana Ny fiara misosa amin'ny lala-mikodàna Ny ankamaroan'ny olona manaraka lalàna Tsara karakara ny fahasalamana  Madio tsisy vovoka eran'ny tanàna Misy kolikoly fa tsy tafahoatra Rariny aty raha mivelatra mivoatra Ny jiro sy ny rano efa mandeha … Continuer à lire Aleoko ihany

Vody be

Vody be

Oadray ity vody be, toa haderadera Tena mahamenatra an-drizareo masera Tsy misy pataloha fa io mivandravandra ireo tavany ankiroa Fa nahoana mihitsy moa? Tsy vitan'izany f'io koa eo amin'ny tany  ilay tay be nivoaka Fa ny mahagaga dia tsy misy mitsoaka Mainka aza maka sary  Ireto bandy tsy manjary  Faly mahita vody sy tay sary … Continuer à lire Vody be

Gasin’andafy

Gasin’andafy

Ireo gasin'andafydia lazaiko anao, fa tena miasa mafyAzo lazaina ho mahay mihafyTsy mifidy asa mba hahazoana dralaNa andro koa mafana, na hatsiaka mamanala dia iny ry zareo fa mifoha maraina Tsy misy hoe hijanona hatory fa malaina Mandeha "métro" Hamonjy ny "boulot"  Hariva indray ny andro mihazakazaka "hidôdô" Mifoha maraina indray, dia toy izany hatrany Misy koa … Continuer à lire Gasin’andafy

Vahiny

Vahiny

Isika malagasy rehefa handray vahinydia iny fa sarotiny tsy te hahazo tsinyManala ireo maloto fahita hatram'izayTena miolomayLasa mandray kifafa Tsy misy mihafahafa fa hatramin'ny olobe mazoto mamafa tokotany sy arabe Tsy hanihany izany fa hiaraha-mahita  Vahiny manankaja no ho tonga avy any ampita dia madio tsisy pentina izay jeren'ny maso Nefa isan'andro manao andraso andraso Tsy vaindohan-draharaha … Continuer à lire Vahiny

Tranoko

Tranoko

Jereo ireto tranokoTsy zavatra nindramiko,na koa hoe nangalariko,fa vokatry ny herimpo,sy fampiasana ati-dohaTsy sanatria fireharehanany fakana sary ireo tanàna, aseho anaty tononkaloTsy itadiavam-pahavalofa ho fanehoana fotsiny ihany hoe tsy nofinofy akory izanymanana trano anankiroa Fa rehefa miasa am-pinoana koadia mahazo vokatsoaIndrindra ho anao tanoraEkeko fa tsy moramorany miasa sy mitadyfa mivonòna hatrany hiadyAza mety ho kivikivy fa na misy … Continuer à lire Tranoko

Tiavo

Tiavo

Tiako ny tenakoNa mety misy nanenenakoaza izay mety ditrako,dia faly aho amin'ireo tsara efa vitakoTiako ny fiainakoAmboariko tsara koa ny fisainakoHahay hankasitraka izay ampelatanako,sy hahay hifaly amin'ireo fananakoIndrindra aho sambatra noho ireto zanakoTsy maintsy misy foana ny zava-mampanahyFa tiako koa ireny fa mampijoro ahyIanao koa, manaova toy izanyRaha mbola nomeny tombon'andro eto an-tanydia mahaiza mifaly, … Continuer à lire Tiavo

Voalohany

Voalohany

Voalohany isikaManakoako hatrany ampita,voarakitra ho tantara,fa voalohany i Madagasikara Saingy tsy voalohany amy zavatra mba tsara,fa izy no mahantra indrindra eran-tanyTsy honohono akory no tsy hanihanyFahafahambaraka tsy misy toy izanyMihemotra hatrany ilay firenenaNa izaho tsy mpitondra aza dia manongo tenaMahatsiaro menatra sy marary foLasalasa saina hoe nahoana mihitsy moa?Asa ry zareo raha mba toy izany koaIzao … Continuer à lire Voalohany

Leo

Leo

Kivy ny vahoaka Be no te hitsoakaHandositra any ampitaSatria hono tsy hitaintsony izay mba tsaraeto MadagasikaraNa ny jiro sy ny rano aza tsisy eto an-tanànaToy ny very hevitra hatramin'ny fanjakanaAiza ho izao irony fampanantenanaTsy tò ireo veliranoMaina sady  maizina isan-tokantrano Vizana ny olonaMaro no mitsangana amin'ny alina mitolonaManakatsakan-dalana sy mandoro afo satria ilay Jiramaty koa mbola vidiana lafo Leo … Continuer à lire Leo