Étiquette : Madagasikara

Voalohany

Voalohany

Voalohany isikaManakoako hatrany ampita,voarakitra ho tantara,fa voalohany i Madagasikara Saingy tsy voalohany amy zavatra mba tsara,fa izy no mahantra indrindra eran-tanyTsy honohono akory no tsy hanihanyFahafahambaraka tsy misy toy izanyMihemotra hatrany ilay firenenaNa izaho tsy mpitondra aza dia manongo tenaMahatsiaro menatra sy marary foLasalasa saina hoe nahoana mihitsy moa?Asa ry zareo raha mba toy izany koaIzao … Continuer à lire Voalohany

Verivery foana

Verivery foana

Firifiry izay ny tolona teto amin'ny firenenaIzay nivoaka ho mpandresy dia indreo nampanantenaFa ho tsara ny hoavy, efa azo izao ny lesona Ny azy hay no nihatsara, ny vahoaka no niesona  Izay rehetra tonga teo dia nahagaga mahavariana Milaza hanao ny famotorana, hanokatra fanadihadiana Satria dia betsaka ny maty, maro koa ireo naratraNy famotorana tsy vita, ny tompon'antoka … Continuer à lire Verivery foana

Marary ka marary

Marary ka marary

Marary ka marary ilay MadagasikaraTsy hitako intsony izay tokony ambaraAleo angamba sisa ny tantara no hitsaraHanenjika antsika ny zanaka any afara May ny tanety etsy sy eroaTsy tanety ihany fa ny ala mihitsy koaRipaka hatramin'ny valanjavaboaharyTsy mifidy dorana ireo olo-tsy manjaryFantatra ihany koa fa na ny gidro azaTratry ny aretina ny eny Tsimbazaza  Ny vahoaka moa … Continuer à lire Marary ka marary

Alefa Barea

Alefa Barea

Alefa alefa barea Mahasahia fa lehilahy e Atao ambony be ny saina Sanatria ny hiferinaina N’iza n’iza mpifanandrina Aoka ho kinga sy hitandrina Tsy matahotra hifandona Alefa miaraka mirona e Zahay hanohana hatrany Barea foana ihany Na favy aza i Nigeria Zahay maka Barea Na henjana aza i Burundi Zahay dia mbola hankafy I Guinée … Continuer à lire Alefa Barea