Hafahafa re ny fiainana Mahalasa ny fisainana Fa fony isika noharianaZazakely nahavarianaOlombelona vao teraka Niboridana tanteraka Nony injay mihalehibeMiasa mafy ery mandehaMikatsaka etsy sy eroaMiketrika mivaky lohaMba hanangona harenaSy fahalalàna sesehena Nefa avy eo ho faty indrayK'zay voahangona hatrizayTsy afaka entina akoryMandrakizay ianao matoryMody ho vovoka sy tanyKoa mahaiza miaina ihany Rasamy
Étiquette : Mahaiza miaina
