Rahatoa ka beantitra ny ray na reninaoNahazoazo taona ka reraka izy izaoLasa mareforefo sy mararirary azaSady mihamiverina manao fisainan-jaza Atao ahoana moa f'izay ilay eto an-tany Tsy misy olombelona ho tanora foana izanyNa ianao koa aza ho antitra toa azyKoa tiavo foana izy f'aza raisina ho sazy Ny tranon'ny beantitra, eny mety ho tsaraFa olo tsy … Continuer à lire Beantitra
Étiquette : Mama
Valopolo taona
Dieny mbola velona ity Reninay ityDia aleo ampifaliana sy omena poeziaFa tsy rehefa maty ka atao veloma faranyVao omena tononkalo maneho ny tantarany Misaotra anao zahay ry Mama tamin’ireny fitaizanaMisaotra anao nikikitra nahazoanay fahalalànaMisaotra noho ny vavaka nataonao isan'androMba hitahiana anay amin'ny alina sy atoandro Ianao ilay nahantra tsy mba nandia fianaranaZara aza raha nahay … Continuer à lire Valopolo taona
Iny Mamanareo iny
Iny Mamanareo iny, olon-tsotra tia fihavanana Tia nanampy sy niantra ireo olona tsy manana Olom-banona tokoa, sady tsara toetra niavaka Satria olon'ny finoana, niaina tao anaty vavaka Iny Mamanareo iny, tia nivavaka ho an-janany Notononony isan'andro tsisy adinony ny anarany Ny fahitana anareo no mampiseho miharihary Fa ny vavaka nataony dia efa ren'ilay Mpahary Iny … Continuer à lire Iny Mamanareo iny


