Étiquette : Masazy

Zarazarainy

Zarazarainy

Teti-panorina hatramin'izayFomba fiadin'ny mpanjanan-tanyIlay mampisaraka tsy mampirayFa zarazarainy mba hanjakany Dia iny fa roboka koa ry voazanakaNiady an-trano tsy nifankatiaMbola tohizan'ireto taranakaToy ny voaozona re sanatria  Rahoviana vao mety ho tonga saina Tsy hanaiky intsony ny ho ampiadianyNy fitambarana mantsy no ilaina Ialàna amin'ny tsindrin'ireto vahiny Rasamy (Sary indrana)

Masazy

Masazy

Misy ny masazy manala havizanana Orina daholo ny tongotra aman-tanana Ny kibo sy lamosina, valahana ihany koa Hatrany am-paladiha ka hatrany an-tampon-doha Fa misy koa hono masazy hafakely Masazy izay ataon'ny tovovavy manjakely Tsy manala vizana fa safosafon-tanana? Masazy sandosandoka misy "famaranana" Rasamy