Isika malagasy dia vahoaka miavaka Ory hava-manana nefa tia mivavaka Feno ny fiangonana isak'alahady Fa bobaka ihany koa ireo mpisara-bady Indreo mitanjozotra, hivavaka am-piangonana Nefa ny ao am-pony, matetika fialonana Ry Jesosy Tompo ô vonjeo ny Taninay Nefa ao an-kelika ihany ny kibay Mba tahionao hono ireo olona mitondra Nefa antsoiny foana hoe : vendrana … Continuer à lire Mpivavaka miavaka
Étiquette : Mpivavaka
