Ny alahelo raha kobonina tsy avela mba hivoaka,dia toy ny vanja izay angoninaatahorana hipoaka Ny alahelo tsy zaraina fa mihiboka ao anaty,dia mankararirary sainamahatonga valifaty Ny alahelo raha ambaraamin'ny havana sy namana,dia kendreo mba hahatsarafa tsy hanimba fihavanana Ny alahelo sy tomany dia tsy maintsy hisy foana,nefa avela handalo ihanyfa tsy ho mandavan-taona Rasamy
Étiquette : Ny alahelo
