Étiquette : Tolona

Badoda

Badoda

Badoda dia anarana foronina, satria mora tononina, entiko ilazana ireo ampahan'olona, mpamono ireo tanora milahatra mitolona. Manampatra ny heriny sy ny vavabasy Tsy menatra midaroka mamono malagasyManaraka fotsiny ny baikon-tsonegaly, dia tsy mijanona mihitsy mampijaly, ireo tanora mitaky fahafahana  Mamerina ao an-tsaina ny androm-panjanahana   Ilay fanjanahan-tany nataon'ny vahiny, no indro toa miverina indray ankehitriny … Continuer à lire Badoda

Mitomany

Mitomany

Malahelo aho mahita izato firenekoMaizina ny zavatra hitako sy reko Ny jiro tapatapaka, tsy misy koa ny rano Mitaraina aby ny isan-tokantrano Sahirana ihany koa ireo orinasa Mafy ny mahazo ny mpianatra sy mpiasaSatria isan'andro dia delestazy Ny vahoaka mihitsy no toy ny voasazy Kanefa vao mijoro sy mba mitaraina  Dia indro fa vonoina, darohina … Continuer à lire Mitomany

Verivery foana

Verivery foana

Firifiry izay ny tolona teto amin'ny firenenaIzay nivoaka ho mpandresy dia indreo nampanantenaFa ho tsara ny hoavy, efa azo izao ny lesona Ny azy hay no nihatsara, ny vahoaka no niesona  Izay rehetra tonga teo dia nahagaga mahavariana Milaza hanao ny famotorana, hanokatra fanadihadiana Satria dia betsaka ny maty, maro koa ireo naratraNy famotorana tsy vita, ny tompon'antoka … Continuer à lire Verivery foana

Inona no vokatry ny tolona?

Inona no vokatry ny tolona?

Akory ny vokatry ny tolona? Matimaty foana hoy aho ny olona Miala zao dia zao Ilay fahavalo Avy eo nanjaka ny malaso sy dahalo Dia Inona no vokatry ny tolona? Naradratra foana hoy aho ny olona Iny lalan'iny lalan-tsarotra Ny firenena avy eo lasa entam-barotra Moa fantatrao ny vokatry ny tolona? Vao mainka nihanahantra re … Continuer à lire Inona no vokatry ny tolona?