Asio fotoana mba hanginana,dia misy koa mba hitenenanaAleo miaina am-pilaminana,mba tsy hisiam-panenenana Asio fotoana tena hiasànadia asiana koa hakàna aina,Aleo atao izay hahasalama, sy mampifalifaly saina Asio fotoana koa iarahanahanehoana fiombonana,amin'ny havana sy namana, indrindra moa ny ankohonana Ny ratsy mbola hisy foana, ny fahasahiranana tsy ho tapitra,f'asio hatrany koa fotoana mahasoa sy mahafinaritra Rasamy
Étiquette : Tononkalo
Harena sarobidy
Ny masoko mahita izay zavatra jereko Na ambony tany na ny habakaba-mangaMety ratsy bika aho, nefa kosa ekekoSambatra aho mahiratra fa tsy akory jamba Ny sofiko mandre ireo hirahira tiakoHenoko avokoa izay resaka teneninaAlaivo sary an-tsaina anie ny mety fahoriakoRaha toa tsy lavorary fa sofina marenina Ny vavako miteny mahavita manazavaTsy sarotra ho ahy ny miteny eo … Continuer à lire Harena sarobidy
Misy antony
Misy antony matoa mbola velona sy miaina Nomena vatana sy hery ary koa fanahy sy saina Matoa mahazo tombon'andro ijanonana eto an-tany Dia tsy tonga hoazy akory izany rehetraretra izany Misy antony avokoa izay mitranga amin'ny fiainana Na ny hiakam-pifaliana na ny sentom-pitarainana Ts'isy koa kisendrasendra fa samy manana ny anjarany Fandalovana ny eto ka … Continuer à lire Misy antony
Mitaraina ny tany
Mitaraina re ny tany fa toa tsisy fiafarany izato kiaka sy tomanin' ireo very tanindrazana. Satria dia nogiazan' ireo mpangalatra daholo izay tany maitso volo, eny hatrany ambanivolo. Mody odiany tsy hita akory ireo vahoaka nanajary fa na tanety, tanimboly, taninkazo, tanimbary dia ampiasainy ny hafetseny ka bodoiny sy fefeny. Eny alainy ankitsirano. Azerany aza … Continuer à lire Mitaraina ny tany



