Ny masoko mahita izay zavatra jereko
Na ambony tany na ny habakaba-manga
Mety ratsy bika aho, nefa kosa ekeko
Sambatra aho mahiratra fa tsy akory jamba
Ny sofiko mandre ireo hirahira tiako
Henoko avokoa izay resaka tenenina
Alaivo sary an-tsaina anie ny mety fahoriako
Raha toa tsy lavorary fa sofina marenina
Ny vavako miteny mahavita manazava
Tsy sarotra ho ahy ny miteny eo anoloana
Nanao ahoana kosa raha toa tsy nanam-bava
Fa dia serasera anaty baiko moana
Ny tongotra aman-tanako dia toy izany koa
Samy afa-mihetsika sy miasa ara-dalàna
Mandinika an’izany aho dia tsapako tokoa
Fa harena sarobidy ny vatana salama
Rasamy