Mpivavaka miavaka

Mpivavaka miavaka

Isika malagasy dia vahoaka miavaka
Ory hava-manana nefa tia mivavaka
Feno ny fiangonana  isak’alahady
Fa bobaka ihany koa ireo mpisara-bady

Indreo mitanjozotra, hivavaka am-piangonana
Nefa ny ao am-pony, matetika fialonana
Ry Jesosy Tompo ô vonjeo ny Taninay
Nefa ao an-kelika ihany ny kibay

Mba tahionao hono ireo olona mitondra
Nefa antsoiny foana hoe : vendrana sy ampondra
Dia mba ambino koa hono ireto zanakao
Nefa ireo mifanaritaka isan’andro izao

Dia miondrika mandohalika mangatam-pitahiana
Nefa izy samy izy aza tsisy fanampiana
Mitombo aok’izany ny antokom-pivavahana
Ny fomba ratsy anefa tohizana sy arahina

Efa lamaody mihitsy ny hoe lasa pasitera
Kanefa raha ny marina dia bizina sy afera
Izay miteny rehetra babany avokoa
Misy aza mampiesona amin’ny « tic tac dou »

Dia roboka tokoa ireo vahoaka marobe
Tena mampalahelo e, sady mampihomehy
Arotsaka daholo ny ampahafolon-karena
Ny ankizy anefa zara raha mba mihinan-kena

Iretsy pasitera avy eo lasa miliaridera
Fa ny ondrikely kosa, sasatra mianjera
Misy very kandra nohon’ny asam-panompoana
Ny fameloman-janaka ve vitan’ny finoana?

Ilay fivavahana aza moa dia efa fantantsika
Tetika fampiasan’ireo mpampandry andrisa
Fitaovana mahomby hakana seza politika
Ampian’ireo mpivavaka izay lasa fanatika

Rasamy

Laisser un commentaire