Hay sarimbavy

Hay sarimbavy

Indray andro izay
nisy lehilahy iray
sendra nifanena
tamin’ny tovovavy teny an-tsena.
Dia io fa nampiresaka  sy mody nampihomehy
Salama ianao ry tovovavy feno hatsaran-tarehy
Tena kanto loatra
Sady tsara voatra
Tsisy azo kianina ny vatana sy bika
Asa re raha mba afaka hiaraka ihany isika?
Izaho aloha tsy tsara
kanefa tena tara e
Tsisy azoko ambara
afa-tsy hoe ho ataoko tsara karakara
ianao hatreny ambony farafara
Ny foko manontolo, tena hipoka fitiavana
Ho faly mihitsy aho r’Ikala raha tsy arahinao fandavana

Dia indro Ikala fa namaly
tsy niandry ela nampijaly
fa mirana sy faly
Niteny taminy hoe ….
Mahafinaritra ahy ise
Ekeko tsotra izao ilay fitiavanao lehibe
Hiarak’eny isika
ka na andro mibaliaka
na tafiotra koa mamely
dia tsy izaho velively
no handrava ilay fiarahana.
Fa saingy … ny ara-pananahana …
Aoka  aloha resahina
Satria …ny bikako ivelany no mbola hitanao
fa zavatra hafa mihitsy anie ny ao anatiny ao
Ka ahoana? Hotohizana ny resaka sa tena aok’izao?

Loza ity rey olona fa tsy mba vazivazy
Adaladala loatra ka sendra sarimbavy
Lasana nandositra, menatra rangahy
Nikainkona tsy fidiny ny « mahalehilahy »

Rasamy

Laisser un commentaire