Tononkalo an-tsehatra nataon-dRasamy teny Ambohidrabiby

Tononkalo an-tsehatra nataon-dRasamy teny Ambohidrabiby

Ato amin’ity pejy Rediredin-dRasamy ity dia misy sokajin-dahatsoratra izay miresaka manokana momba ireo fampisehoana an-tsehatra izay mitranga eto Antananarivo na any amin’ny toeran-kafa koa. Koa raha ny fampisehoana nataon’ny hafa aza moa tantaraiko eto, nahoana ny fampisehoana izay nataoko sy nokarakaraiko no tsy mba tantaraiko? Izany indrindra no nahatonga ahy nanao ity lahatsoratra ity ho anao mpamaky ny Rediredin-dRasamy.

DSC_1593.jpg

Araka ny efa nambara an-gazety sy tamin’ny onjam-peo ary nolazaina tao amin’ny pejy « Blog de Rasamy » moa dia nivoaka tamin’ity volana janoary 2018 ity ilay boky voalohany mirakitra ny amboaran-tononkalo nosoratan-dRasamy. Koa dia nisy arak’izany ny fotoana manokana nentina nampahafantatra izany boky izany tamin’ny alalan’ny fampisehoana an-tsehatra.

DSC_1589

Natao tao amin’ny fiangonana FJKM Ambohidrabiby moa ity seho ity tamin’ny tolak’andron’ny alahady 14 janoary lasa teo. Betsaka tokoa ireo olona tonga nanotrona na ny avy aty Antananarivo na ny avy eny ambanivohitra. Ary eto i Rasamy dia mamerina ny fisaorana eram-po eran-tsaina azy ireo.

DSC_1617.jpg

Nanokatra ny fotoana tamin’izany ny mpitandrina Randrianalidera Radonirina avy ao amin’ny FJKM Ambohidrabiby. Izy rahateo no nanao ny teny fanolorana ao anatin’ilay boky. Izy ihany koa no nanao ny fanolorana sy ny fanentanana nandritra ity seho an-tsehatra ity. Ny tenany moa dia sady mpanoratra no mpikabary ikoizana ihany koa ankoatra ny asa maha mpitandrina azy.

DSC_1607

Tononkalo maromaro avy ao amin’ilay boky no noantsaina. Ka maro ireo mpijery izay nividy ny boky arak’izany no sady namaky no nihaino ihany koa. Nisy ireo tononkalo noantsain-dRasamy manokana. Misy kosa tononkalo izay nahitana olona roa miresaka na mifamaly ary dia ny Mpitandrina Randrianalidera Radonirina hatrany moa no nanao izany niaraka tamin-dRasamy.

Ankoatra ny tononkalo dia nisy ihany koa ny hira sy feon-kira nandravaka ny seho. Ka ny tarika Bemiray no nanatanteraka izany, narahin’ny zava-maneno gasigasy toy ny sodina sy gitara ary valiha. Mpitendry avy ao amin’ny Tarika Telo Fangady sy Rakoto Frah Junior moa no mandrafitra ny tarika Bemiray. Nisy ihany koa ny hira niarahan-dRasamy tamin’izy ireo.

DSC_1588

Ireo tononkalon-dRasamy dia miresaka momba ny fiainana andavanandron’ny mponina. Mivelatra amin’ny lohahevitra maro isan-karazany ireo tononkalo ireo ka misy ny milaza zavatra mahafinaritra, misy ny mampahery sy mampitraka ireo izay mitady ho kivy, misy ny mampientanentana, ao ny milaza ny hakanton’ny eny ambanivohitra,  ao ny resaka fitiavana (olon-droa, zanaka, raiamandreny, tanindrazana), sns.

DSC_1600

Ao ny tononkalo somary mampalahelo arakaraky ny zavatra niainan’ny mpanoratra mivantana na koa hitany eo amin’ny fiainan’ny mponina manodidina azy. Fa betsaka amin’ireo tononkalo ireo koa no somary mampihomehy. Amin’ny ankapobeny anefa dia misy hafatra samihafa ho an’ny olona rehetra ao anatiny. « Hafatra » rahateo moa no lohatenin’ity boky ity.

DSC_1535

Naka ny sary rehetra : Miary Ramalanjaona

Laisser un commentaire