Raha vao nivoaka ilay bokin-dRasamy dia nanoratra taty amiko i Voniary ny amin’ny mba faniriany hiresadresaka fa te hahafantatra ny momba ahy sy momba ilay bokiko izy. Ary dia nihaona tokoa izahay mianadahy, nitafatafa nandritra ny minitra maromaro tao amin’ny biraoko. Nahafinaritra ny fihaonana satria samy mpanoratra bilaogy moa no niresaka.
Vehivavy tsotsotra mahafinaritra i Voniary raha vao hitanao ary tia mandala ny fisainana miabo sy manome lanja ny maha malagasy koa izy. Taratra izany amin’ny zavatra soratany raha mamaky ny bilaogin’i Voniary ianao.
Ary dia nanoratra ity lahatsoratra ity izy momba an-dRasamy ao anatin’ilay karazan-dahatsoratra hoe « Izany ka malagasy ».
Misaotra an’i Voniary aho ary enga anie ka mba ho amin’ny fomba tsara no handraisan’ny olona itony karazan-dahatsoratra itony fa tsy sanatria heverina ho fireharehana sy fitiavana hisehoseho akory.
Raha mahaliana anao ary ilay lahatsoratra dia tsindrio eto amin’ity rohy bilaogin’i Voniary ity.
Rasamy
Dia hifandimby hanoratra eto izany isika koa! Mankasitraka e!
J’aimeAimé par 1 personne
Mirary soa e
J’aimeJ’aime