Iny Mamanareo iny

Iny Mamanareo iny

Iny Mamanareo iny, olon-tsotra tia fihavanana
Tia nanampy sy niantra ireo olona tsy manana
Olom-banona tokoa, sady tsara toetra niavaka
Satria olon’ny finoana, niaina tao anaty vavaka

Iny Mamanareo iny, tia nivavaka ho an-janany
Notononony isan’andro tsisy adinony ny anarany
Ny fahitana anareo no mampiseho miharihary
Fa ny vavaka nataony dia efa ren’ilay Mpahary

Iny Mamanareo iny, tena nanam-pahendrena
Na dia nanana ny ampy, dia nahay nanetry tena
Tso-piaina sy fitafy, nandefindefitra aok’izany
Eny na dia hoe tsy rariny, mbola noleferiny ihany

Koa ankehitriny mitrakà, ampionony re ny fo
F’iny Mamanareo iny, efa eo anilan’i Jesoa
Izy lasana nandao, maty fa namela mamy
Ianareo rehetra kosa, dia mifankatiava hatrany

Laisser un commentaire