Saika isan’andro no handrenesam-peo
Fa nisy fanolanana hafa indray niseho
Na zaza tsy ampy taona, na efa lehibe
Na any ambanivolo na an-tanàn-dehibe
Tsy miova ny vaovao fa mila hahakivy
Tanora erotrerony, eny mbola ankizy
No voaviravira eny ambony farafara
Ataon’ireo tsy vanona sy tsy valahara
Misy tsy mampino, tsy mba vazivazy
Fa ny dadany ihany no nanolana azy
Matetika ihany koa dia ny dadatoany
Nivadika ary ve ny zanak’atidohany?
Olon-dehibe, raim-pianakaviana
No mamoafady sy feno habibiana
Natao mba itokisana kinanjo tsy manjary
Sady mahamenatra no tena maharary
Tsy ny zazavavy ihany no mahita olana
Fa ny samy lahy koa aza lasa mifanolana
Moa koa etsy andaniny efa tsy hay sakanana
Ireo vaky trano miampy fanolanana
Tokony havesatra ny didim-pitsarana
Manafay ireo tratra any anaty figadrana
Aleo hahatsiaro saina, hahita fijaliana
Mbola tsy tapahana aza izato filahiana
Rasamy
(Sary indrana)