Moa mahaleotena va re ny firenena
sa aleo dia tsorina amim-panetren-tena
fa mbola ambany ziogan’ny mpanan-karena
baikon’ny vahiny fa tsy mahabaiko tena
Tsy mety mba tafarina fa vizana sy sola
Miankin-doha tanteraka amin’ny mpamatsy vola
Ny mpitondra no afaka miliba sy midola
fa ny vahoaka kosa efa miondrika sy tola
Miezaka ihany mba mitolona miady
Mila tsy hitraka mihitsy fa mandady
Maro loatra mantsy ny olana mianjady
Nefa tsy mandroso fa voafatotra amin’ny tady
Rasamy
(Sary indrana)