Ny olona tafita
dia tsy hoe mahitahita
manana miliara sy karazana fiara
ary tsara karakara
hatreny ambony farafara
Monina anaty tranobe mijoalajoala
Fa ny olona tafita
dia ireo izay mahavita
manampy sy mamelona ny hafa ihany koa,
mahaleo-tena, ka manao asa soa
amin’ny manodidina azy.
Tsy olona nangalatra mendrika hisazy
Rasamy