Tsy ny mivoaka akory
na mandeha miari-tory
miaraka amy namana ihany
no fotoana tena mamy
Fa ilay mijanona ao an-trano
tsy tezitra, tsy mamo,
manakatom-baravarana
no tena fahasambarana
Satria makamaka aina
sady akaiky sombinaina
Tsy mivoaka hilanonana
fa anilan’ny ankohonana
Rasamy