Raha ny tarehy no ratsy
fa ny paosy tsara vatsy,
dia tena mahavariana
fa satriny hovadiana
Fa raha ny paosy kosa
no efa arahin-trosa,
dia tsy raharahiany,
na bogosy aza tsy tiany
Moa sarotra ny fiainana,
dia miova ny fisainana,
ny vola izao no ambony
fa tsy bika izany intsony
Dia loza amin’atambo
fa tsy mba manan-kambo,
ka na antitra efa kola,
mbola tiany satria vola
Tsy vitsy arak’izany
fa maromaro ihany ,
ireo sipa tsy mibôsy
fa miandry Papa sôsy
Rasamy