Valopolo taona

Valopolo taona

Dieny mbola velona ity Reninay ity
Dia aleo ampifaliana sy omena poezia
Fa tsy rehefa maty ka atao veloma farany
Vao omena tononkalo maneho ny tantarany

Misaotra anao zahay ry Mama tamin’ireny fitaizana
Misaotra anao nikikitra nahazoanay fahalalàna
Misaotra noho ny vavaka nataonao isan’andro
Mba hitahiana anay amin’ny alina sy atoandro

Ianao ilay nahantra tsy mba nandia fianarana
Zara aza raha nahay nanoratra ny anarana
Fa kosa  isan’andro dia tia mamaky teny
Tenin’Andriamanitra no iainanao ombieny

Nandalo sedra maro  hatramin’ny fahazazana
Niharitra ihany koa ny eson’ny mpiray tanàna 
Tia nandefindefitra ary koa nanetry tena
Ankehitriny sambatra amin’ny valim-babena 

Toa kodiarana ny fiainana, iza moa no nanam-po
Fa ianao ilay kamboty nihafihafy ery taloha 
No nandeha nitety tany, ary tena tsara dia
Na Maorisy na Parisy, ka hatrany Etazonia 

Arahabaina ianao ry Mama feno valopolo taona 
Ny volo no efa fotsy fa mbola mijoro foana 
Ny Tompo anie no homba sy hitahy anao hatrany 
Dia mifalia sy miravoa mandram-piala eto an-tany 

Rasamy

Laisser un commentaire