Dada ô, tsapako mihitsy ny mahazo anao
Mafy loatra mantsy izao fiainana izao
Midangana daholo ny entana eny an-tsena
Tsisy mora intsony izay zavatra jerena
Na ny anana aza, tsy toy ny taloha
Ny jiro sy ny rano ary ny hofan-trano koa
Ny solika izany moa dia efa tsy hay lazaina
Ny « bus » eninjato hatramin’ny maraina
Loza fa nitombo ihany koa ny saribao
Maharaka an’izany ve ilay karamanao?
Handefitra aho ry Dada am’izay azoko leferina
Izay hahasalama anao koa tokony heverina
Sao mantsy ianao indray no torovana marary
Mainka koa isika ho noana sy mosary
Raha toa aza ry Dada ka tsy maintsy ilaina
Dia hiezaka aho, eny, hazoto tsy malaina
Sady hianatra aho no hikarama koa
Hiasa amin’ny gasy, na karana, na sinoa
Izay asa mety hitako sy azoko atao
Izany no heveriko ho fanampiana anao
Ndriii, …. Misaotra indrindra anaka
Marina tokoa fa tena mahalanaka
ny fiainana etoana
Nefa izao no izy, manàna ianao finoana
Matokisa ianao fa na ahoana na ahoana
Isika tsy maintsy misy atokona eny foana
Ny fianaranao no tena imateso aloha
Ny Reninao moa mampidi-bola koa
Ny fahendrenao izao dia efa ampy ahy
Matokisa anaka, aza miahiahy
Rasamy