Matokisa anaka

Matokisa anaka

Dada ô, tsapako mihitsy ny mahazo anao
Mafy loatra mantsy izao fiainana izao
Midangana daholo ny entana eny an-tsena
Tsisy mora intsony izay zavatra jerena 
Na ny anana aza, tsy toy ny taloha 
Ny jiro sy ny rano ary ny hofan-trano koa
Ny solika izany moa dia efa tsy hay lazaina 
Ny « bus » eninjato hatramin’ny maraina
Loza fa nitombo ihany koa ny saribao
Maharaka an’izany ve ilay karamanao? 

Handefitra aho ry Dada am’izay azoko leferina
Izay hahasalama anao koa tokony heverina 
Sao mantsy ianao indray no torovana marary
Mainka koa isika ho noana sy mosary
Raha toa aza ry Dada ka tsy maintsy ilaina
Dia hiezaka aho, eny, hazoto tsy malaina
Sady hianatra aho no hikarama koa
Hiasa amin’ny gasy, na karana, na sinoa 
Izay asa mety hitako sy azoko atao
Izany no heveriko ho fanampiana anao

Ndriii, …. Misaotra indrindra anaka
Marina tokoa fa tena mahalanaka 
ny fiainana etoana 
Nefa izao no izy, manàna ianao finoana
Matokisa ianao fa na ahoana na ahoana 
Isika tsy maintsy misy atokona eny foana 
Ny fianaranao no tena imateso aloha
Ny Reninao moa mampidi-bola koa
Ny fahendrenao izao dia efa ampy ahy
Matokisa anaka, aza miahiahy

Rasamy

Laisser un commentaire