Tsy ahoako

Tsy ahoako

Mety misy angamba anjely
F’izaho tsy izany velively
Satria raha ditra no lazaina
Izaho koa misy tantaraina
Tena bandy misy toetra
Fa kosa aho manisy fetra
Ka na inona hadalako
Dia ny vadiko tsy ialàko
Toy izany koa ny zanako
Ireo no tena fiadanako
Handaniako ny fananako
Miaina tsotra izao no ilaiko
Koa mandrampaha-tapitry ny aiko
Dia izay mampifaly koa ny saiko
No imasoako sy ataoko
Ny vavan’olona tsy ahoako

Rasamy

Laisser un commentaire