Endrey ny hankatonao re ry Vohitsara
Efa tany sambatra tokoa i Gasikara
Feno fandrosoana, milamina ny tany
Ny mpitondra hendry tsisy toy izany
Hafa ny taloha f’efa niova ny tantara
Ny vokatra nitombo, ny ariary nihatsara
Tsisy kolikoly na fisaraham-bazana
Miharihary be ny fitiavan-tanindrazana
Ny ankizy sy tanora miditra an-tsekoly
Lasa nihavitsy ny karazana tempoly
Orinasa gasy no mameno ny tanàna
Resy ny vazaha sy sinoa ary karana
Milamindamin-tsaina avokoa ny vahoaka
Vitsy ihany sisa ireo mandositra mivoaka
Betsaka aza moa ireo nody soamantsara
Toy ny paradisa ny eto Madagasikara
Kinanjo…
Taitra tampoka aho, fa hay izaho natory
Nanonofy aho kay fa tsy tena izy akory
Nitsangana aho nijery teo am-baravarankely
Fahantrana no hita fa tsy izany velively
Rasamy