Verivery foana

Verivery foana

Firifiry izay ny tolona teto amin’ny firenena
Izay nivoaka ho mpandresy dia indreo nampanantena
Fa ho tsara ny hoavy, efa azo izao ny lesona 
Ny azy hay no nihatsara, ny vahoaka no niesona 

Izay rehetra tonga teo dia nahagaga mahavariana 
Milaza hanao ny famotorana, hanokatra fanadihadiana 
Satria dia betsaka ny maty, maro koa ireo naratra
Ny famotorana tsy vita, ny tompon’antoka tsy tratra

Miverimberina toy izany hatrany hatrany ny tantara 
Nefa tsisy fandrosoana eto Madagasikara 
Ny sasany no botrabotra fa nahazo fahefana 
Ny hafa malahelo seza te hanongam-panjakana 

Ny vahoaka etsy andaniny no manaiky ataony sorona
Matimaty fahatany sanatria akoho sy vorona
Toy ny verivery foana ilay ràny izay nomeny 
Satria toa mainka niharatsy izato fiainam-pireneny

Rasamy

Laisser un commentaire