Masisosiso ny olona miaina ao an-trano
Manko tsy afa-mandro fa tapaka ny rano
Feno olona mamofona eny an-dalana eny
Mivoaboaka fofona ny elakelam-peny
Ny fofom-pofon-kelika tsy lazaina intsony
Mainka koa miampy irony fofom-pako irony
Mamofona Iarivo tanàna maminay
Ankoatra ireo mpangetotra maimbomaimbo tay
Dia zava-doza no hita an’elankelantrano any
F’Izay aleha rehetra mantsina amany
Mifona re rey olona raha toa aho ka diso
Aleo hitady toerana tsy masisosiso
Rasamy