Arahabaina re ianao
Nahatratra indray izato taona vaovao
Indro arahina tso-drano
Ho foana amin’izay anie ny tsy fisian’ny rano
sy ilay jiro tapatapaka efa tena nankaleo
Ireny rehetra ireny anie hifarana hatreo
Ho foana ihany koa irony fakobe irony
Ny lalana aleha tsy hisy lavaka intsony
Eny e tsy nofinofy akory izany
Fa faniriana sesilany
Satria dia vaovao tokoa ny taona
Dia ny ariary anie tsy hitotongana eto foana
Ka amin’ny herintaona toy izao
Dia firariana hafa indray no hatolotro ho anao
Rasamy