Fatratra ery nandritra irony fety
Niezaka nifaly sy nanao izay mety
Nividy akanjo tsara, niampy kilalao
Matsiro ny sakafo Noely Taom-baovao
Tsy nisy toy izany ny vola nolaniana
Natao izay nampifaly ny fianakaviana
Fa ny tena loza dia inona hoy ianao ?
Janoary lavabe no indro miandry izao
Vao miandoha ny taona dia misy fanahiana
Raikitra amin’izay ny tena fitsitsiana
Mahalana eny sisa ny laoka misy hena
Vola madinidinika no entina miantsena
Ny anana sy voanjo ary ovy sy sosety
No miverimberina efa ho iray sarety
Enga anie ka ho salama fa tsy sanatria harary
Mbola ela vao ho tapitra e izato janoary
Rasamy