Lalan-tsarotra

Lalan-tsarotra

Mbola ratsy foana e iny lalana iny
Potika ny fiara fa miala tsiny
Tsisy fiovana fa mainka ratsy be
Adiny firy izao Tanà – Antsirabe 
Na ho any Mahajanga sy mihazo an’Antsiranana
Na lalam-pirenena mizotra miantsinanana
Mijaly ny mpandeha hatrany Toliary
Maty an-dalana eny raha olona marary
Tsy lazaina intsony ny mankany Ambovombe
Ilay lalam-pirenena natao resabe
Aiza ankehitriny irony fampanantenana
Mijaly ny vahoaka re ry fanjakana ô 
Mifona izahay fa aza ampijaliana 
Ny mpanohitra efa miforitra mangina 
N’aiza n’aiza aleha potika ny lalana
Ity lalan-dratsy ity rahoviana vao hifarana?
Toa sanatria tanteraka ilay hiranay fahiny
Hoe lalan-tsarotra e …, iny lalana iny

Rasamy

Laisser un commentaire