Auteur : rasamison

Mifona re

Mifona re

Gina re ny maro, tsy mahateny intsony Maheno ny kabarin'ny mpitondra ambony F'izy tsy matahotra ny mpifaninana aminyNy sasany hono latsaka hatramin’ny amaniny  Tao aorian'izay dia nikabary ihany koaLehilahy iray milaza hilatsaka ho FilohaF'izy tompon-daka amin'ny resaka judoTsy "fake" hono izany fa navoakan'ny radio Mifona re rey olona hitondra fanjakana ôAleo mba ny fahaizana sy ny fahalalànaMiampy finiavana sy ny fahendrenaNo … Continuer à lire Mifona re

Soso-po

Soso-po

Avoay re ny volanyIsan-taona izao dia izany foana ny olanyMampitolagaga ny olona mijeryF'inona mihitsy ary izato misiteryIo vola io ve tsy efa vonona ao foana eKanefa dia lalaovina tsy hay hoe nahoanaSa mbola mihodikodina mandalo lalan-kafaMampijaly mpianatra, atao mijafajafaDia lasa migrevy manao filaharanaMitaky fandoavana vatsim-pianaranaNy kibo noana lava satria tsisy vatsyNy trano ipetrahana kely sady ratsySady efitra … Continuer à lire Soso-po

Andron’ny vehivavy

Andron’ny vehivavy

Ny andron'ny vehivavyry izy mianakavy, raha atao mahitsy, dia tsy fety izany mihitsy. Fa andro fahatsiarovana fitakian-jonataon'ny vehivavy efa tany alohaNitolona niady nanao fitakiana, hisian'ny miralenta, na ny fitovianaIty andro ity izany dia enti-mampahatsiaroNy zon'ny vehivavy amy lafin-java-maroKoa fanontaniana izao no mby an-dohaEfa tena feno ve  ilay fitovian-jo?  Ka fety ve no ilaina? Sa fanentanana mba samy ho tonga sainaFa … Continuer à lire Andron’ny vehivavy

Mitsoaka any andafy

Mitsoaka any andafy

Maniry ny handositra daholo ny ankizyMitsoaka any andafy noho ny krizyManko fahantrana no hita eto amin'ny taninyK'any no heveriny fa mety misy maminy Ireo izay efa lasa moa tsy te hody intsonyNa malahelo aza ny sainy sy ny fonyTsy afaka manoatra noho ny zava-misyRatsy loatra mantsy ny fiainana eto indrisy Maro ireo mipetraka tsy misy … Continuer à lire Mitsoaka any andafy

Mpangalatra

Mpangalatra

Rehefa ilay mpanao hala-botry no mba tratradia fomba amam-panao efa zary mahazatra, ilay fitsaram-bahoaka. Tsisy hoe tafondro na basy koa mipoakafa daroka sy vono tsisy alaharoMamely ao daholo na vitsy koa na maroMiala hatramin'ny ainaTsy misy na iray aza  mba tonga saina,fa iny olona iny raha naka ny tsy azy,dia mendrika ho faizina sy omena sazySaingy sazy … Continuer à lire Mpangalatra

Mifaly irery

Mifaly irery

Indraindray ry namako dia lazaiko anaof'amin'izao andro iainantsika izao,dia tsy ratsy mihitsy akory,tokony hahafaly aza fa tsy manorisoryilay mandehandeha na mipetraka irery.Mitokatoka-monina somary manireryLavitry ny toerana misy olo-maroSomary mihatakataka tsy te hifangaro Fa miaina am-pilaminana Anaty fahanginana Manao izay tiana atao tsy mila olon-kafa Tsy mitady olona mba hitafatafa  Raha toa ary ianao ka mahita fifaliana fa tsy akory sanatria … Continuer à lire Mifaly irery

Virijiny

Virijiny

Eny hoy aho rankizysomokotra izay tsy izyizato ianareo fa hoe mpifakatia,handeha hifanjohy sy hiaradiasatria andro miavaka ity anio ity. Zatra mifanoroka fotsiny hatrizay,fa anio kosa dia hono andro iray,te hanome porofo,ka na tsy mbola mpifamofo,mety tsy hivady akory, dia iny tapa-kevitra fa hiaraka hatory.  Roboka tanteraka ireto zazavavy Ireny fa namonjy ny olon-tiany avySodokan-tambitamby ataon'ny lehilahydia iny vonombonona … Continuer à lire Virijiny

Verivery foana

Verivery foana

Firifiry izay ny tolona teto amin'ny firenenaIzay nivoaka ho mpandresy dia indreo nampanantenaFa ho tsara ny hoavy, efa azo izao ny lesona Ny azy hay no nihatsara, ny vahoaka no niesona  Izay rehetra tonga teo dia nahagaga mahavariana Milaza hanao ny famotorana, hanokatra fanadihadiana Satria dia betsaka ny maty, maro koa ireo naratraNy famotorana tsy vita, ny tompon'antoka … Continuer à lire Verivery foana

Sakaizan’ny mpandresy

Sakaizan’ny mpandresy

Misy tena misy ny sakaizan'ny mpandresyTsy laitra izy ireny rehefa injay ka resyny ekipa izay tohanany,fa avy dia kantsanany.Ranona no diso e, tena tsy mahayEsory any ireo fa tena tsy milayOlona tsy alehany, tsisy ilavana azyRavao any mihitsy sady omeo ny sazy Kinanjo aty aoriana vao mibata fandresenaIny ekipa iny ihany tsy nitombo tsy nihenadia … Continuer à lire Sakaizan’ny mpandresy

Efao ny trosanao

Efao ny trosanao

Avereno re ny volany raha toa ianao nitrosaMahagaga mihitsy fa dia misosasosa ny vavanao miteny rehefa hoe hangatakaKanefa aty aoriana dia mody mihatakataka Omeo tsisy farany, ao mba ampindramoFa rehefa hamerina dia mikatramotramoSady tsy mangina fa mbola basivava Gisa homan-ketsa k'izy indray no avo vava Iny volany iny anie ka vidin-katsembohanaAzy dia takiany, f'aza dia kepohanaMankarary  azy … Continuer à lire Efao ny trosanao