Auteur : rasamison

Mahasosotr’ahy

Mahasosotr’ahy

Manao ahoana i Dadabe!Manao ahoana ise!  Etsy kely angeKivy aho mijery vaovaon'ny teleIsan'andro izao tsy misy vaovao tsaraRatsy avokoa no hita eto MadagasikaraAiza ve leity ka hatramin’ny kompaniaIlay nantsoina hoe voron-tsara diaRava sady fongana, toa tsy misy intsonyDia toy izany koa irony lalam-be ironyNa an-tanàn-dehibe, na lalam-pirenenaSimba be daholo mampanongo tenaHitako teo koa izaoHoe inona hoy ianao … Continuer à lire Mahasosotr’ahy

Dada tsotra

Dada tsotra

Dada ô, fetin'ny Ray androanyArahabaina indrindra izany Dadako izanyIriko tena Iriko ianao mba ho salamaHo samy ela velona anie ianao  sy MamaMbola hifankatia sy hiaraka eny foanaKa na manao ahoana ny fandehan'ny fotoanaDia reharehanayHoe iny dadanayIny ilay nitaiza sy nikolokoloVizana tokoa efa fotsy voloTsy nikeky aina tamin'ny asa fivelomanaNahavita adidy tamin'ny ankohonana  Tsapanay ankizy ny … Continuer à lire Dada tsotra

Tsingerin-taona 

Tsingerin-taona 

Isan-taona toy izaodia faly aho misaotra Anaory Raiko any an-danitra any.Mitsingerina androanyny nahatongavako eto an-tany.Endrey mirana aok'izany f'iraika amby dimapolo taonaMbola velona eto foanaSalama tsara ihany koaSatria namindranao fo Na eo aza ny halemena sy hadalana sesehena,nisy koa ny sedra maro,sy alahelo nifangaro, dia marobe ireo fitahiana, izay nitondra fifaliana. Izaho misaotra lalandava ao am-po sy ao am-bava Nefa kosa hafa foana Rehefa … Continuer à lire Tsingerin-taona 

Fety tsisy jiro

Fety tsisy jiro

Neny ô, fetinao androanyArahabaina indrindra ianao arak'izany Nikasa dia nikasa tokoa re izahayHanao izay hampifaly anao toy ny hatrizay Saika mba hihira sy hiaraka handihyKinanjo loza no afitsok'ity jiro maty ityTapaka efa ela tsy mimpody koaHaiko ianao ry Neny fa kivikivy koa. Nefa atao ahoana moa,Aza sorena loatra re fa sao marary foEfa izao ny fiainana eto … Continuer à lire Fety tsisy jiro

Manabado vahoaka

Manabado vahoaka

Eto Madagasikara, ny tena fahavalodia tsy akory hoe malaso sy dahalona ireo mpangala-botry sy mpanendaka eny an-tsenaf'ireo sasantsasany mpambotry firenenaManao ampihimamba ny fandraharahanaTsy maty manota fa ambonin'ny  lalànaManondrana harena tsy misy fitsaharana Indrindra koa mamotika ny seham-pampianarana Tsy mitarika ny olona handinika hisaina fa vola fafy katrana ihany no ampiasainaManao fanahiniana  manabado ny vahoaka Manambitamby lava amin'ny vary iray … Continuer à lire Manabado vahoaka

Lany olomanga

Lany olomanga

Lany olomanga ary ve ny firenekoMankarary fo ny zavatra mba rekoMomba ireto olona nomena fahefana Mampivarahontsana ny resa-pitsarana  Izy samy izy ihany no miady an-tranoTantara tena misy, tsy abobo na anganoAnaty tambazotra, mivoaka an-gazetyMiharihary ao ireo zavatra tsy mety Voatonontonona aby ireo olona ambony Tsiambaratelo maro tsy voatana intsony Na halatra, na hosoka, indrindra kolikoly Mitohy ny tantara, zary … Continuer à lire Lany olomanga

Ny eto an-tanàna

Ny eto an-tanàna

Ny eto an-tanàna leisy tena hafa mihitsy Ialahy raha vao miteny tsy mitsitsitsitsyFa mananatranatra tanora mba ho hendry Dia tsy ampahafiriny hono fa mianakendry Eto an-tanàna ialahy raha toa manan-kataoDia misy mialonalona fotsiny amin'izaoLazainy fa mpangalatra, tsy manao ny marina Ny haren'ialahy indray no tiany angalarina  F'eto an-tanàna koa raha toa ialahy mahantraDia aza manantena hisy olona hihantraMainka ialahy … Continuer à lire Ny eto an-tanàna

Loza

Loza

Malaza tato atoheno tsy ankiatoilay resaka rongony Toa tsy voafehy intsony fa miparitaka tokoaraha ny feo heno etsy sy eroaTsy kely tsy lehibe raha ny hita sy ny re Ary tena efa malaza fa na ny mpianatra azadia betsaka no voa Iza loatra re no tena ati-doha? Mibizina mivarotra sady mamosavy Tsy mifidifidy fa miandahy miambavy Tandremo ry tanora Tsarovy fa tsy morany vokatra … Continuer à lire Loza

Manaova madio

Manaova madio

Betsaka ny olona tsy mba tia madioNy ankajony tsy miova omaly sy anioFa dia iny foanaNo hita eny an-kodiny mandavan-taonaTsy akory hoe tsy mananaFa tena efa fahazaranaIlay tsy mivaky lohaKa na ny akanjo ambony na ny patalohaDia malotoloto sy kitoatoaHany ka tsy hajain'ny olona ihany koa Tsy manaja tena ny olona toy izanyNy sasany aza … Continuer à lire Manaova madio

Tonokalon-dRado

Tonokalon-dRado

Isaky ny valabalaka, iny harivariva iny,Eo akaikiko tsy lavitra iny bokiny inyTononkalo tsara rindra, mifono hevi-dalinaVakiako  tsy miato rehefa injao mamantonalina Maro ireo mpihantsa, mpiventy toa azy Misy tena kanto, ao ny vazivazyFa hafa ihany hoy aho, fatratra mambaboTiako tena tiako ny tonokalon-dRado Rasamy