Auteur : rasamison

Iny lalana iny

Iny lalana iny

Iny lalana iny dia tsisy nanamboatraPotika tanteraka, tena tafahoatra Taona maromaro tsisy mba nikarakara Izao mitera-doza ary koa manimba fiara Iny lalana iny, satria ve tsy azo haninaDia nodiana tsy hita sy nodiana faninaHany ka mikatso ny seham-pihariana Ireo mpivezivezy moa mizaka fijaliana  Iny lalana iny, tsy azo aleha intsonyToa sanatria tsy hitan'ny olona ambony Izy moa manidina tonga … Continuer à lire Iny lalana iny

Mampanongo tena

Mampanongo tena

Efa mila hampitroatrafa tafahoatra loatra ny mitranga ankehitriny.Ialàko re ny tsinyfa sady mahamenatra no koa mahararyTsy azo afenina intsony fa hita mihariharyny fahasahiranana manjo ny firenenaToa ratsy avokoa izay vaovao jerenaPotika tanterak'ireo lalam-pirenenaNy jiro sy ny rano mbola tapaka eny foana Hitombo tsy ankijanona ny olona izay noana Satria arivo ariary izao ny kapoakam-baryNy "Euro" iray efa ho … Continuer à lire Mampanongo tena

Mbola afaka

Mbola afaka

Mifarana ny taonaArahabaina izany fa mbola eto foana Manaova falifaly e, fa n'inona ny sedra mety nampijaly,n'inona koa olana mety nosedrainadia mbola velon'aina. Mahaiza koa misaotra fa mbola misy taona hahafahanao mivoatra Mbola afaka mihaona amy namana sy havana Mbola afaka mizara sy manome fitiavana Mbola afaka miasa mampitombo ny harena Mbola afaka mihira sy mampifaly tenaTsy maintsy mbola hisy koa ny … Continuer à lire Mbola afaka

Amin’izao Noely izao

Amin’izao Noely izao

Amin'izao Noely izaodia irariako ho anaony fiainam-pifalianaanilan'ny fianakavianaHo lavitry ny ahiahyfa na ny saina na fanahydia ravoravo sady tonyMisaotra indrindra ny ao Ambony Amin'izao Noely izaodia entaniko ihany ianao Hahatsiaro kely ireo sahirana Hananany endrika mba miranaZarao na kely fotsiny azaOmeo izay misy sy sahazaSatria tokoa ny Noely Andro tena hafa kely  Rasamy

Loham-poza

Loham-poza

Angamba fantatsikaf'ireny foza ireny ao anatin'ny sobikadia mifampisintona midina ambanysady mifanaikitra tsisy toy izanyIzay ilay toetram-poza mampiavaka azyTsy miaraka mandroso fa miaraka voasazy Misy mba miezaka hiakatra ihanyNy hafa indray misintona azy hilatsaka amy tanyDia migadra ao daholoTsisy tafavoaka ny foza manontoloNefa dia inona hoy ianao no fiafarany? Lasa foza saosy anatin'ny vilany Inona no lesona azo … Continuer à lire Loham-poza

Ny ankohonako

Ny ankohonako

Na mafy toy ny inona ny asa fivelomako Na sarotra tsy mora ny ady hitolomakoDia ataoko izany fa tsy himenomenomakoSatria hahasoa an'ireto ankohonako  Na maro sakantsakana ny lalana hizorakoNa inona hafaliana sy mety hasosorakoTokana ihany ny tanjona hifotorako Dia ny hahasambatra an'ireto ankohonako Rasamy

Tsapako tena mamy

Tsapako tena mamy

Tsapako fa tena mamytsy misy toy izanyilay miaraka aminao. Hafa tsotr'izao Ô ry tiako sy lalaikoHe faly ery ny saikomandre ilay feonao kanto, miangola sy milanto, ary koa mandrotsirotsyhatrany anaty bodofotsy  Tsapako fa tena mamy Hankafiziko hatrany ilay tratranao matevina. Zary mampievinevina raha sendra tsy eo anilakoianao re r'ilay silako. Tsapako mamy indrindra koa'lay isika tsy mipataloha   fa mianoka fanambadiana eny ambonin'ny fandriana Rasamy

Mesia

Mesia

Raha ny zavatra lazainysy kabary tanisainyno henoina sy jerena dia hainy ny mampanantena. Mipoerapoera fatratra mihevitr'azy ho tonga lafatra k'izay rehetra teo talohalazainy ho resiny avokoafa raha izy no voafidydia ho rava ireo mangidymampijaly ny vahoaka. Ela ny ela ho tafavoaka Hiova hono ny tantaraHo sambatra i Gasikara Izy izany ilay Mesiasady koa mpanao mazia  Moa va tsy toy izany foana nandritra ny enimpolo taona? Milaza … Continuer à lire Mesia

Ndeha re

Ndeha re

Ndeha re mba mivoaka f'aza dia mijanona amin'ny toerana irayMba mijery zavatra any ankafa indray Raha toa ka mikarama, indrindra koa salama, dia mba mandehana manao fizahana. Tsy voatery ho mpananaf'izay eo ampelatananaka azo tsinjaraina, dia io no ampiasaina  Ndeha re miala kely  amin'ny mahazatraMandeha lavidavitra arak'izay tratraTsy voatery foana hoe lasa any ampitaf'atao mahafaly izay tokony ho vita. Aza mangatak'andro fa … Continuer à lire Ndeha re

Marary ka marary

Marary ka marary

Marary ka marary ilay MadagasikaraTsy hitako intsony izay tokony ambaraAleo angamba sisa ny tantara no hitsaraHanenjika antsika ny zanaka any afara May ny tanety etsy sy eroaTsy tanety ihany fa ny ala mihitsy koaRipaka hatramin'ny valanjavaboaharyTsy mifidy dorana ireo olo-tsy manjaryFantatra ihany koa fa na ny gidro azaTratry ny aretina ny eny Tsimbazaza  Ny vahoaka moa … Continuer à lire Marary ka marary