Auteur : rasamison

Pasipaoro

Pasipaoro

Eto Madagasikara dia mijaly ilay vahoakaKanefa raha mahita lalana hivoakaDia loza no manjoTsy moramora koaFa na ny pasipaoro aza sarotra alaina Mahavalalanina sy mahalasa saina Voaozona ary ve isika malagasy Aiza k'isaky ny mikarakara taratasy Dia mipenipenina mila hitomanyNefa anie rey olona ka n'aiza eran-tanyTsy olana mihitsy izany pasipaoro izany eTsy akory ilay izy hoe maimaim-poana Fa  vola be miala … Continuer à lire Pasipaoro

Mifamono

Mifamono

Indrisy re rey olonaIzao izany sisa ny vokatr'ireo tolonaTolona natao hahazoana fahefanaNanitsakitsahana didy aman-dalànaNisy ny nandresyDia nisy koa ny resyIreo mpandresy moa nahazo fanjakanaManjakazaka ery fa azy ny tanànaIreo resy kosa manohy toy ny hatrizay Mitady fomba rehetra hiverenana indrayMisy dinaozaoro tsy miova mankaleoTompon'antoka eny amin'ny zavatra misehoMiverimberina e... mitovy ny tantara Mampikoroso fahana an'ny Madagasikara  Ny … Continuer à lire Mifamono

Vady aman-janaka

Vady aman-janaka

Ny vady aman-janakadia tsy azo atao mandreraka na hoe mahalanakany mikarakara sy mamelona azyTsy sanatria koa sazy,na adidy be mavesatra tsy maintsy hiantsorohanaFa fanehoam-pitiavana hatrany am-panombohanaTiana ny vady matoa novadianaNy zanaka ihany koa tena zanaka nirinaNoho izany indrindra dia ireo no tena namanaAmbony noho ny harena sy izay mety ho fanananaRaha misy ny manjo na mankarary … Continuer à lire Vady aman-janaka

Natoraly

Natoraly

Ny tena lehilahydia lazaiko an'ialahyfa sipa hoy aho no tianyvehivavy no vadiany Fa ny sarimbavydia tsy mila vehivavy fa bandy no irianyhamely avy ao aoriany  Ka n'inona lazaina dia ataovy an-tsaina fa natoraly ho ahyilay viavy vadin-dahy Rasamy

Vola sy fahalalàna

Vola sy fahalalàna

Raha toa ka be ny vola fa tsisy fahalalànaMety mora lavon'ny karazam-pilibànaRaha tsy voafehy aza matetika mazàna Lasa mivarilavo sy ratsy fiafarana  Raha toa ka tsisy vola sady tsisy fahalalàna Dia mazava hoazy fa tena fahantrana Mijaly anaty olana sarotra vahanaSady ambanian'ny  mpiray tanàna  Raha toa ka tsisy vola fa be ny fahalalànaMety ihomehezan'ny sinoa sy ny karanaLasa … Continuer à lire Vola sy fahalalàna

Mifona re

Mifona re

Gina re ny maro, tsy mahateny intsony Maheno ny kabarin'ny mpitondra ambony F'izy tsy matahotra ny mpifaninana aminyNy sasany hono latsaka hatramin’ny amaniny  Tao aorian'izay dia nikabary ihany koaLehilahy iray milaza hilatsaka ho FilohaF'izy tompon-daka amin'ny resaka judoTsy "fake" hono izany fa navoakan'ny radio Mifona re rey olona hitondra fanjakana ôAleo mba ny fahaizana sy ny fahalalànaMiampy finiavana sy ny fahendrenaNo … Continuer à lire Mifona re

Soso-po

Soso-po

Avoay re ny volanyIsan-taona izao dia izany foana ny olanyMampitolagaga ny olona mijeryF'inona mihitsy ary izato misiteryIo vola io ve tsy efa vonona ao foana eKanefa dia lalaovina tsy hay hoe nahoanaSa mbola mihodikodina mandalo lalan-kafaMampijaly mpianatra, atao mijafajafaDia lasa migrevy manao filaharanaMitaky fandoavana vatsim-pianaranaNy kibo noana lava satria tsisy vatsyNy trano ipetrahana kely sady ratsySady efitra … Continuer à lire Soso-po

Andron’ny vehivavy

Andron’ny vehivavy

Ny andron'ny vehivavyry izy mianakavy, raha atao mahitsy, dia tsy fety izany mihitsy. Fa andro fahatsiarovana fitakian-jonataon'ny vehivavy efa tany alohaNitolona niady nanao fitakiana, hisian'ny miralenta, na ny fitovianaIty andro ity izany dia enti-mampahatsiaroNy zon'ny vehivavy amy lafin-java-maroKoa fanontaniana izao no mby an-dohaEfa tena feno ve  ilay fitovian-jo?  Ka fety ve no ilaina? Sa fanentanana mba samy ho tonga sainaFa … Continuer à lire Andron’ny vehivavy

Mitsoaka any andafy

Mitsoaka any andafy

Maniry ny handositra daholo ny ankizyMitsoaka any andafy noho ny krizyManko fahantrana no hita eto amin'ny taninyK'any no heveriny fa mety misy maminy Ireo izay efa lasa moa tsy te hody intsonyNa malahelo aza ny sainy sy ny fonyTsy afaka manoatra noho ny zava-misyRatsy loatra mantsy ny fiainana eto indrisy Maro ireo mipetraka tsy misy … Continuer à lire Mitsoaka any andafy

Mpangalatra

Mpangalatra

Rehefa ilay mpanao hala-botry no mba tratradia fomba amam-panao efa zary mahazatra, ilay fitsaram-bahoaka. Tsisy hoe tafondro na basy koa mipoakafa daroka sy vono tsisy alaharoMamely ao daholo na vitsy koa na maroMiala hatramin'ny ainaTsy misy na iray aza  mba tonga saina,fa iny olona iny raha naka ny tsy azy,dia mendrika ho faizina sy omena sazySaingy sazy … Continuer à lire Mpangalatra