Auteur : rasamison

Tsisy lafatra 

Tsisy lafatra 

Tsy misy olombelona ka hoe tonga lafatraTsisy ho kianina fa feno fahendrena Koa asakasakao mitompo teny fatratraManenjika isan'andro izay misy fahalemena  N'iza n'iza mantsy  ka mbola eto an-tanyTsy maintsy misy lesoka sy kilema koaMety mba solafaka sy diso  izy androany Fa rahampitso hiarina sy hiova fo Koa aza tia mitsara ny fiainan'olon-kafaNy fiainanao no ataovy milamina sy … Continuer à lire Tsisy lafatra 

Tsy farahidiny aho

Tsy farahidiny aho

Iza moa aho no tsy mba hanan'olanaMaro sakantsakana ny lalana diavikoMisy foana sarotra lalovana isam-bolanaFa ny hilavo levona kosa tena laviko Toy ny olo-maro koa dia manana ahiahy sy tahotra matetika miverina ao anatyManko ny ampitso toa zary mampanahyHanahoana ny hoavy, mandra-pahafaty Kanefa raha mandinika ny manodidina ahodia tokony hahatsiaro ho menatra ihany satria dia misy olona mijaly … Continuer à lire Tsy farahidiny aho

Asio fotoana

Asio fotoana

Asio fotoana mba hanginana,dia misy koa mba hitenenanaAleo miaina am-pilaminana,mba tsy hisiam-panenenana Asio fotoana tena hiasànadia asiana koa hakàna aina,Aleo atao izay hahasalama, sy mampifalifaly saina Asio fotoana  koa iarahanahanehoana fiombonana,amin'ny havana sy namana, indrindra moa ny ankohonana  Ny ratsy mbola hisy foana, ny fahasahiranana tsy ho tapitra,f'asio hatrany koa fotoana mahasoa sy mahafinaritra Rasamy

Maizina

Maizina

Hanao ahoana ihanyny mety ho fiafaran'ity fiainan'ny vahoakaSatria aleo dia tsorina fa tsy tafavoakaKrizy mihalalina no iainana etoanaTena mbola lavitra izany fandrosoanaMainka mihamilentika izato fahantrana Maizina ny hoavy tsisy taram-pahazavana Ny vidim-piainana io tsy takona afeninaNa ny mpanohana aza zary toa maneninaNanantena mafy tamin'ny resa-beliranoKinanjo mihasahirana ny isan-tokantranoMiakatra ny menaka, lafo koa ny varyNy vidim-panafody mainka … Continuer à lire Maizina

Tsara ny manampy

Tsara ny manampy

Misy olona any ho any tena kivy savolainaNa ny endrika aza lasa antitra sy  mainaRakofan'ny ahiahy sy vesaran'adin-tsaina Miandry manantena hoe hisava ny maraina  Izany ny eto an-tany fa tsarovy sombinaina Misy olona mijaly, kivy sy miferinaina Raha tsy toy izany ianao fa mba misy izay ilaina Tsara foana ny manampy ireo izay kely vovok'aina Rasamy

Halatra miharihary

Halatra miharihary

Halatra miharihary  Miharihary ny halatra, tsisy fiafaranyTena miompampana tsisy toy izanyMahazo fahefana dia maka izay tianyNefa dia izany no nenjehina fahiny Tsisy henatra intsony fa maka tsy mieraMihinana izay laniny tsy mitaveraveraMiseho mibaribary fa tsy mba honohonoAlainy hatramin’ny vola fisotroan-dronono Miliara marobe no efa very hatram'izayNy vola fanampiana misy tsy hita sy tsy hayValaka ny … Continuer à lire Halatra miharihary

Manaiky aho

Manaiky aho

Na  inona na inona zavatra efa haikoTsy maintsy misy foana tsy takatry ny saikoTsisy mahalala izay hahataperan'ny aikoManaiky aho fa Ianao no mandahatra ry Raiko Na miezaka aza aho manao zavatra mba tsaraNa tsy hitsahatra aho hanome sy hizaraManaiky foana aho fa n'inona n'inona ambara Dia Ianao  no manendry ny lahatra sy anjara  Matoa aho toy … Continuer à lire Manaiky aho

Mbola ho lo

Mbola ho lo

Mba fantatrao va re, f'io fasana io angefeno olona natanjaka hatry ny elabeNihevitra ny tenany tsy ho faty izanyNefa izao indrisy mandry ambany tanyNisinisy ihany ireo nanampatra ny herinyNanery ny olon-kafa hanaraka ny jerinyMaro tam'ireo no tia nanjakazakaNisy aza moa, namono fa mpanjaka Nefa aiza ankehitriny?Indrisy fa tantara sisa ny fahinyNy vatany efa vovoka, ny … Continuer à lire Mbola ho lo

Vary foana ve?

Vary foana ve?

Nahoana moa isika no tsy maintsy mihinam-bary Rehefa tsisy vary dia milaza fa mosarySakafo maro anefa no nomen'Ilay NaharyFamboly an-tanety ka hatreny an-tanimbary Toa miankina amy vary ny fiainam-pirenena Miteraka krizy raha vao tsisy eny an-tsenaNy voka-bary anefa tsy mitombo fa mihenaManafatra eny foana fa tsy mahavita tena  Vao mainka koa moa loza izao ny zava-misy Ny vary … Continuer à lire Vary foana ve?

Reraka kanefa … 

Reraka kanefa … 

Reraka ny aikoVizana ny saikoIzao no alehany rehefa ny vola no mibaikoKanefa anie ilay vola rehefa tena isaikodia tsy hahavitako akory izay rehetraretra ilaiko e Kanefa,... Asa efa nekena koa tsy maintsy hovitaiko Ny mafy izay lalovana tsy maintsy hoe zakaikoNy sarotra  noho izao aza moa efa nosedraikoIlay saina miabo foana no tohizako lalaikoNy saina mila ho … Continuer à lire Reraka kanefa …