Auteur : rasamison

Aza maikamaika

Aza maikamaika

Dada ô, mampalahelo ahy iretsy ankizikelyFeno azy ireo anie hatrany Analakely eMalotoloto lamba sy rovi-patalohaRakotra azy ireo koa etsy AmpefilohaNa eny Behoririka hatreny AnkorondranoToa mirenireny tsy anaty tokan-trano Lasa be ny saiko fa dia nahoana loatraNy fiainan'izy ireo ve mety mba hivoatra? Raha tsy mianatra izy, ahoana ny hoavinyMangataka no ataony, izay manome tsy lavinyMangalatra ihany … Continuer à lire Aza maikamaika

F’angaha ianao raha hoe

F’angaha ianao raha hoe

F'angaha ianao raha hoe manam-pahefanadia mihevi-tena foana ho ambonin'ny lalàna? Tsisy afaka miteny,  manao izay tiana ataosy manery ny hafa hanao ny tsy fanao F'angaha ianao raha hoe olona ambonydia mino sy matoky fa tsy ho ambany intsony? Ny tany anie ry lahy tandremo boriboryMety hianjera ianao tsy hitahita akory F'angaha ianao raha hoe efa mpanefoefodia manan-jo … Continuer à lire F’angaha ianao raha hoe

Io fivavahana io

Io fivavahana io

Io fivavahana io dia mahagaga loatrafa tokony hampiray sady hampivoatraKanefa indraindray dia mampisara-bazanaMahavalalanina ny olona mpitazana Io fivavahana io dia tena mahavarianafa tokony hampitombo ny firaisan-kinaKanefa indraindray dia lasa mampiadyMainka mampitombo ny olana mianjady Io fivavahana io dia mahatonga sainafa natao indrindra hamelombelon'ainaKanefa indraindray dia lasa famonoana ireo izay tsy mitovy  fihaviana sy finoana Io fivavahana io … Continuer à lire Io fivavahana io

Nanonofy

Nanonofy

Endrey ny hankatonao re ry VohitsaraEfa tany sambatra tokoa i GasikaraFeno fandrosoana, milamina ny tanyNy mpitondra hendry tsisy toy izany  Hafa ny taloha f'efa niova ny tantara Ny vokatra nitombo, ny ariary nihatsaraTsisy kolikoly na fisaraham-bazanaMiharihary be ny fitiavan-tanindrazana Ny ankizy sy tanora miditra an-tsekolyLasa nihavitsy ny karazana tempolyOrinasa gasy no mameno ny tanàna  Resy ny … Continuer à lire Nanonofy

Tsy ahoako

Tsy ahoako

Mety misy angamba anjelyF'izaho tsy izany velivelySatria raha ditra no lazainaIzaho koa misy tantarainaTena bandy misy toetraFa kosa aho manisy fetraKa na inona hadalakoDia ny vadiko tsy ialàkoToy izany koa ny zanakoIreo no tena fiadanakoHandaniako ny fananakoMiaina tsotra izao no ilaikoKoa mandrampaha-tapitry ny aikoDia izay mampifaly koa ny saikoNo imasoako sy ataokoNy vavan'olona tsy ahoako … Continuer à lire Tsy ahoako

Matokisa anaka

Matokisa anaka

Dada ô, tsapako mihitsy ny mahazo anaoMafy loatra mantsy izao fiainana izaoMidangana daholo ny entana eny an-tsenaTsisy mora intsony izay zavatra jerena Na ny anana aza, tsy toy ny taloha Ny jiro sy ny rano ary ny hofan-trano koaNy solika izany moa dia efa tsy hay lazaina Ny "bus" eninjato hatramin’ny marainaLoza fa nitombo ihany koa ny saribaoMaharaka an'izany … Continuer à lire Matokisa anaka

Rehefa maty ianao

Rehefa maty ianao

Rehefa maty ianao vao tsapany indrayFa iny olona iny, ilay tsotra sy nahayIny ilay modely mendrika tahafinaNiavaka amy toetrany, hita fa tsy nihafina Rehefa maty ianao vao omeny fanajanaVery  olomanga hono izao ny tanànaOmeny dera ianao, ary ankalazainyNy soa vitanao no indro hirahirainy Rehefa maty ianao dia namany nahatokyAtaony lahatsoratra ao anaty fesibokyIndraindrainy ianao fa olona niavakaSaingy ianao … Continuer à lire Rehefa maty ianao

Manomeza fitafiana

Manomeza fitafiana

Mangatsiaka ny androtsy maraina tsy atoandrofa dia mamirifiryNefa ny akanjony tsy dia misy firyManify dia manifyHany azony atao dia mitampifipifyeo ambanin'ny tonelinaTsisy na dia mofo kely mba atelinaMafy ilay mahantra eManantena ny hafa ho tonga mba hihantra Mijaly dia mijalyFa ianao kosa raha mbola afaka mifalytsy dia misy mahaoryAnaty bodofotsy no mahita toryMbola misy trano isitrihana … Continuer à lire Manomeza fitafiana

Tohatra fiakarana

Tohatra fiakarana

Rehefa tsy anaty fitondranaizy ireo ry bandy akama,  dia ny vavany malama,mitsikera fanjakana  Voatanisany daholoireo toetram-borondolon'ny mpitondra manontoloTena mampitsangam-bolo Fa raha vao azony ny seza ny takolany mihangeza, dia lasa miabo be ny sainy, miova mihitsy izay lazainy Ny mainty ataony fotsifotsyNy feony koa mandrotsirotsyNy fiainany no nihatsara Dia adinony aby ny tantara  F'ianao ry akama mba ahoana Moa mpanohana eny … Continuer à lire Tohatra fiakarana

Ifaliako izay ananako

Ifaliako izay ananako

Raha ny vava izay nataonysy ny henjika fanaonyno nataoko tao am-podia lazaiko anao tokoafa efa ela aho no nivarinaAngamba lavo tsy tafarina.  Soa ihany aho fa niadyka n'inona n'inona nianjadydia tsy nianjera tamy tanyfa nijoro foana hatranyNisy tanjona kendrenaTsy nitsaha-nanantena Noho ny ezaka nataono mampijoro ahy toy izaoTsy lafatra mihitsy akoryfa kosa tsy isan'ireo oryampijalian'ny … Continuer à lire Ifaliako izay ananako