Halatra miharihary Miharihary ny halatra, tsisy fiafaranyTena miompampana tsisy toy izanyMahazo fahefana dia maka izay tianyNefa dia izany no nenjehina fahiny Tsisy henatra intsony fa maka tsy mieraMihinana izay laniny tsy mitaveraveraMiseho mibaribary fa tsy mba honohonoAlainy hatramin’ny vola fisotroan-dronono Miliara marobe no efa very hatram'izayNy vola fanampiana misy tsy hita sy tsy hayValaka ny … Continuer à lire Halatra miharihary
Auteur : rasamison
Manaiky aho
Na inona na inona zavatra efa haikoTsy maintsy misy foana tsy takatry ny saikoTsisy mahalala izay hahataperan'ny aikoManaiky aho fa Ianao no mandahatra ry Raiko Na miezaka aza aho manao zavatra mba tsaraNa tsy hitsahatra aho hanome sy hizaraManaiky foana aho fa n'inona n'inona ambara Dia Ianao no manendry ny lahatra sy anjara Matoa aho toy … Continuer à lire Manaiky aho
Mbola ho lo
Mba fantatrao va re, f'io fasana io angefeno olona natanjaka hatry ny elabeNihevitra ny tenany tsy ho faty izanyNefa izao indrisy mandry ambany tanyNisinisy ihany ireo nanampatra ny herinyNanery ny olon-kafa hanaraka ny jerinyMaro tam'ireo no tia nanjakazakaNisy aza moa, namono fa mpanjaka Nefa aiza ankehitriny?Indrisy fa tantara sisa ny fahinyNy vatany efa vovoka, ny … Continuer à lire Mbola ho lo
Vary foana ve?
Nahoana moa isika no tsy maintsy mihinam-bary Rehefa tsisy vary dia milaza fa mosarySakafo maro anefa no nomen'Ilay NaharyFamboly an-tanety ka hatreny an-tanimbary Toa miankina amy vary ny fiainam-pirenena Miteraka krizy raha vao tsisy eny an-tsenaNy voka-bary anefa tsy mitombo fa mihenaManafatra eny foana fa tsy mahavita tena Vao mainka koa moa loza izao ny zava-misy Ny vary … Continuer à lire Vary foana ve?
Reraka kanefa …
Reraka ny aikoVizana ny saikoIzao no alehany rehefa ny vola no mibaikoKanefa anie ilay vola rehefa tena isaikodia tsy hahavitako akory izay rehetraretra ilaiko e Kanefa,... Asa efa nekena koa tsy maintsy hovitaiko Ny mafy izay lalovana tsy maintsy hoe zakaikoNy sarotra noho izao aza moa efa nosedraikoIlay saina miabo foana no tohizako lalaikoNy saina mila ho … Continuer à lire Reraka kanefa …
Afa-baraka
Tena ginagina ny vahoaka manontoloNa tambonivohitra na tambanivolo Misafosafo loha dia mila tsy hahatenyMahita ireto loza manjo ny fireneny Vao lasa ny haitany dia tonga indray ny loza Valala, tondra-drano ary koa ny rivodoza Ny fahoriam-bahoaka efa tsy lazaina intsony Variana miady an-trano nefa ny olona ambony Isan'andro izao eny anaty fesibokyTantara mahagaga toy ny mamaky bokyMiseho daholo ny henatra … Continuer à lire Afa-baraka
Olo-mendrika
Ny olona iray rehefa tsy alehanydia izao no fandehanyManilika andraikitra foana amin'ny hafaary tsy mba menatra na mihafahafamilaza sy miteny fa izy dia somparanaMatetika izy ireny tsy dia nandia fianaranaTsisy mba voafehiny izay zavatra lazainyTsy mahataka-davitra loatra moa ny sainyHany ka tsy vitany ny famahàna olanaka na mihodina ny taona, ny andro sy ny volanavitsy … Continuer à lire Olo-mendrika
Rivodoza
Io indray ilay rivodozafa mitera-dozaho an'ny firenenaTena mahonenafa simba izay jerenaPotika tanteraka ihany koa ny toe-karenaNy rivotra mifofo, ny oram-be mirarakaRavany ny trano, ny tafo moa manaraka Mitondra ny takatra ireo fotodrafitrasa Mihidy ny sekoly, mijanona ny asa Izay ilay rivodoza voajanahary Tsisy azo atao f'izay voany dia marary Fa misy ihany koa "rivodoza" anankiray Tena mampahantra ary koa mampikolayAtaony midaraboka izay te … Continuer à lire Rivodoza
Miiba tafahoatra
Raha ny zavatra fahita ety anaty fesibokydia isan'andro ianao mandrezatra fa vokyVoky resabe sy zavatra tsy tsaramanaratsy endrika an'i MadagasikaraTsy mba mahafinaritra fa zary mahasorenaka na ny seraseran'ny mpitondra firenena,na ny an'ny mpanohitra tsy tia fanjakana, dia mifampivazavaza tsy misy fanajana. Ny sary mahatsiravina dia hita ao daholo Mampihorin-koditra sy mampintsangam-bolo Na halatra na lainga na koa fifamonoana … Continuer à lire Miiba tafahoatra
Mahaiza mitraka
Rehefa nodimandry ny olona akaikylasana nandao nantsoin'i Ray Ambony dia mandà ny saina toa tsy te hanaiky nefa izay no lahatra, tsisy azo atao intsony Mafy sy mafaitra ny fisarahana an-tany nefa izay no anjarany, atao ahoana moaTsy maintsy malahelo, tsy maintsy mitomany fa kosa aoka hahay hampionona ny fo Ny fo raha malahelo diso tafahoatra dia misy fiantraikany amy … Continuer à lire Mahaiza mitraka









