Indrisy re indrisy fa maina izao ny tanyKivy ny mpamboly mila hitomanyMijaly sy marary ny zava-manan'ainaNy biby sy olombelona samy mitarainaSatria dia tsisy ranoNa ny eny antsaha, indrindra ny ao an-tranoMiziriziry mafy tsy milatsaka ny oranaMiteraka aretina mampangorangoranaMafana loatra ny androMila tsy ho zaka ny herin'ny masoandroFa toy ny afobe mamono sy mandoroMampanahy ny hoavy, … Continuer à lire Maina ny tany
Auteur : rasamison
Mijoroa sahia!
Anaka, manàna fahasahiana,f'aza ny hakivianano atao mialoha lalana, raha sendra sakantsakana eny an-dalana ombàna. Manàna koa finoana sy fanantenana, fa na mafy toy ny inona ny zava-manoloana, dia ny vahaolana tsy maintsy misy foana. Na misesisesy tsisy farany aza ny olanaTsy vita indray andro fa mety amam-bolanaMety koa maharitra aman-taonany aza. Dia tsarovy hatrany fa ny olona malazanahita fahombiazana amin'ny zavatra … Continuer à lire Mijoroa sahia!
Mpirahalahy
Izahay fony ankizy dia niara-nilalaoNy raharaha an-trano niarahana nanaoMba niadiady kely nifampila kisa koaFa tsy nifankafoy satria mpiray tampo Nitombo avy eo ny taona nandalo hatanorana Niara-nifanjevo tamy bandy ao an-tanàna Niarahana nandeha na sekoly na fiangonana Ny akanjo sy kiraro aza nisy niombonana Nony aty aoriana moa dia samy nanambady Dia samy toa variana miasa sy mitadyFa rehefa tafahaona dia … Continuer à lire Mpirahalahy
Zaza esorina
Neny ô, izaho moa izany izaotsy aiza f'ato an-kibonaoVokatry ny sitrapoSy fitiavanareo roaNefa gaga aho ry NenyIzaho moa tsy afaka mitenyTsy mba tanana handrangotraTsy afaka ny hisarangotraTsy mba tongotra hitsipakafa manaiky ho aripaka Ny hany sisa ho lazaikoalohan'ny hahataperan'ny aikodia lazao re ilay raikomba tsy ny filàny no mibaikofa hahay hitandrina amin'ny sisa satria dia … Continuer à lire Zaza esorina
Vaky boky
Mamakia bokyfa io no azo antoka sy namana mahatokymba hahafahanao mivoatra,raha toa ianao ka te hihoatranoho izay vitanao anio. Izao koa no tadidioNy olona izay lianasy mahita fifalianaamin'ny famakiana dia tsy ho varimbarianaamin'ny zava-tsy mahasoa. Fa mibahana ao an-dohany hanana hoavy tsaraManampy fotsiny ihany ny vintana sy anjaraSatria ny ao an-tsaina dia tia mikarokarokaVonona hihatrika ihany koa ny … Continuer à lire Vaky boky
Valopolo taona
Dieny mbola velona ity Reninay ityDia aleo ampifaliana sy omena poeziaFa tsy rehefa maty ka atao veloma faranyVao omena tononkalo maneho ny tantarany Misaotra anao zahay ry Mama tamin’ireny fitaizanaMisaotra anao nikikitra nahazoanay fahalalànaMisaotra noho ny vavaka nataonao isan'androMba hitahiana anay amin'ny alina sy atoandro Ianao ilay nahantra tsy mba nandia fianaranaZara aza raha nahay … Continuer à lire Valopolo taona
Papa sôsy
Raha ny tarehy no ratsyfa ny paosy tsara vatsy, dia tena mahavarianafa satriny hovadiana Fa raha ny paosy kosano efa arahin-trosa, dia tsy raharahiany, na bogosy aza tsy tiany Moa sarotra ny fiainana, dia miova ny fisainana, ny vola izao no ambonyfa tsy bika izany intsony Dia loza amin'atambofa tsy mba manan-kambo, ka na antitra efa kola, mbola tiany satria vola Tsy … Continuer à lire Papa sôsy
Fotoana mamy
Tsy ny mivoaka akoryna mandeha miari-torymiaraka amy namana ihanyno fotoana tena mamy Fa ilay mijanona ao an-trano tsy tezitra, tsy mamo, manakatom-baravaranano tena fahasambarana Satria makamaka ainasady akaiky sombinaina Tsy mivoaka hilanonanafa anilan'ny ankohonana Rasamy
Hira sy mozika
Mozika sy hira ry havako no mampitraka izato tavakorehefa tojo fahoriana na anaty fahakivianaMozika miadana sy kanto,feo miangola sy milantono manainga ny fanahy,sady mampitony ahy Hira sy mozika koaefa hatramin’ny taloha no hanehoako ny hafaliakoraha tojo izay mba faniriako Hirahiran'ny fitiavana Hirahiram-pahasoavanaMozika sy hira fideranaNameno ny hatanorana Raha mbola velona ny aiko dia mbola ho sakafon-tsaiko sady fifaliam-pokony mozika izay henoikoManentana ny … Continuer à lire Hira sy mozika
Tsikera
Ilaina ny tsikeraanaty seraserafeno fanajana,manaraka lalànaTsikera mampandrosomitondra vahaolana,fa tsy mampikororosomampitombo ny olana Fa raha hitsikera ihanyaleo mba manontanysy miezaka mamantatraizay tokony ho fantatraMba tsy hiteniteny foanasy hamafy lainga, hanimba sy hanafoanany tsara efa miainga Rasamy









