Auteur : rasamison

Mama saosy

Mama saosy

Misy etsy andaniny tovolahy bogosy Saingy dia indrisy fa foana izato paosy Dia iny fa mikaroka lalana ivoahanaMitady ramatoa manam-bola iarahana Dia misy ramatoa ihany koa etsy ankilany Mila tovolahy, tiany mba ho silanyLehilahy tanora, bogosy sy matanjaka Tiany tena tiany ny mijery azy mitanjaka Dia mifanojo teo ny ankilany sy andaninyIlay tovolahy moa mihinana izay laninyRavehivavy kosa zary miramiran-tavaTsy … Continuer à lire Mama saosy

Tora-bato miverina

Tora-bato miverina

Tsy misy miala maina raha mbola eto an-tany Ny ratsy atao anio tsy maintsy mbola hivaly ihany Na tsy hivaly vetivety aza fa any aoriana anyNy adala ihany sisa no tsy mety mino izany Izay nanenjika ny hafa tamin'ny lainga tsara lahatraMbola hizaka fanenjehana mitohy tsy ankitsahatraNy olona mpandainga dia ho voafatotry ny vavanyMbola ho avy … Continuer à lire Tora-bato miverina

Ho an’ialahy

Ho an’ialahy

  Ho an'ialahy ry zanakolahitokan'ny aiko, raha mbola hain'ny tanakosy takatry ny saiko, dia ataoko ho an'ialahy, f'aza mba manahy Ny tena faniriako dia ho tafita ialahy, mainka ho tena tiakoraha  hatsaram-panahy, sy fo mora tony no ataon'ialahy ambony Izaho hatoky foanaf'ialahy vonona sy sahy, tsy ho olonolom-poanafa tena ho lehilahy, miavaka amin'ny sainy Tsy adala toa an-drainy Rasamy

Tokana ianao

Tokana ianao

Tokana ianao, izay no ataovy an-tsainaTsy misy toa anao ny zava-manan'ainaIanao dia nohariana ho tokana aman-tanyFa tsisy itovizana amin'olon-kafa izany Koa aza dia variana amin'ny fampitahàna"Ranona tafita, f'izaho ity mihanahanaIzy toa mahay, f'izaho tsy mba toa azy"Aza miteny izany fa mainka ianao voasazy Voasazin'Andriamanitra satria manome tsinyTsy hainao izay kileman'iny olona inyAza mitsiriritra fa ny … Continuer à lire Tokana ianao

Ianao iny

Ianao iny

Ianao ilay mpiteny fa izaho tsy mahavita Manabatibaty mihevitra ahy tsy ho tafitaManambanimbany sy manenjika aoriana Sady tsy manampy fa zatra manakiana Soa fa eo ianao manainga ny hambom-pokoNy toetranao io mihitsy no mainka hijoroakoNa ny eso na ny latsa na ny henjika tsy ahoako  Tsy hampihemotra ahy amin'ny ezaka ataoko Ny tanjona apetrako tsy maintsy … Continuer à lire Ianao iny

Hafatr’i Dada

Aza menatra mijoro amin'ny maha ianao anaoAza tia manilikilika manao ankilabaoAza manaiky atao fitaovana hanimba indray ny hafaAza miandrandra fanampiana vao mba hanana sy tafa Aza miahotra mitory ny fitiavana ao anatyAza maika atao ho antitra maniry ny ho faty Aza miandry hanan-karena vao hahatsiaro fahasambarana Aza mandany fahatany izay mba vokam-pisasarana Aza mialona mahita ny fandrosoan'ny … Continuer à lire Hafatr’i Dada

Ny alikako

Ny alikako

Ny alikako rey olonadia tia mitolotolonasy misangisangy.Tia manaikitraikitrasy mampiseho vangyizay ngeza sy maranitra.Nefa mahafinaritrafa namana azo antoka.Tsy mahafaty antokany mitaiza azy.Indraindray treromina somary omena sazyMatetika kosa omena safosafoTsy ampandeferina amy resaka sakafoIzy no manampy raha sendra fahavalo,mananika tanàna Rambosany ataony mandositra tsy tanaOmena tambitamby sy iaraha-milalaoTiako ny alikako, tiako tsotr'izao  Rasamy

« Air Madagascar »

« Air Madagascar »

Ô indrisy, ô indrisy,fahatsiarovana no sisarehefa injay mba mitanisaan’ireto voromby an’ny Madagasikara Vita hatreo ny tantaraf’ilay lazaina ho tara lavadia indro potika sy ravatena vizana sy rerakaEny fongana tanteraka Izao no vokatry ny tolonasy grevy ataon'ny olonaEny indrisy mahonenafa nopotehina nohosenailay fananam-pirenena Tsisy Air Madagascar intsonyHoy ireo olona ambonyFa novainy nosoloinyMainka hiharatsy sa hihatsara?Ny tantara no … Continuer à lire « Air Madagascar »

Solelaka

Solelaka

Misy mpisolelaka tsy hiova izany mihitsyNa lalana mibiloka lazainy fa mahitsyNa efa maintimainty lazainy ho fotsifotsyNa ny lambamena lazainy ho bodofotsy Toy ny tsy mahalala menatra intsonyFa dia misolelaka amin’ny olona tompoinyNy fahazoana seza no masaka an-tsainySolelaka no tetika mba hitany sy hainy Ny olona mahantra marobe eto amy taninyNy sasany aza hoditra kiraro sisa … Continuer à lire Solelaka

Resak’etotra

Resak’etotra

Moa ve fahotana sa fahasalamana ny etotra tsy tana? N'iza n'iza mantsy, n'aiza n'aiza koaNa mizipo ianao, na mipatalohaDia ho avy ny fotoana hangetongeto-poana Tsy fanahy iniana fa lasalasa hoazy Etotra tsy tana fa tsy hoe vazivazy Fa misy karazany ny etotra tsy tanaAo ny misy fofona manenika tanàna Ny sasany mangetotra maneno mafy beDia ao ny tsisy feo fa mitsifotra … Continuer à lire Resak’etotra