Any mantsy ianao ry MadagasikarakoIlay tany nihaviako nilatsahan'ny tavonikoIzaho aty andafy no hanohy ny tantarako Nandositra aho mantsy fa aleo dia tsoriko Marary be ny saiko, ny fo indrindra koaMahita anao ambany tsy mety ho tafarinaIzay vaovao jereko toa ratsy avokoa Ny vahoaka anaty fahantrana lalina Nahoana no toy izao re ianao ry NosinayMalahelo mafy aho ary … Continuer à lire Kanosa
Auteur : rasamison
Mijaly ny vahoaka
Na inona ambara na inona lazainaEfa ny maro an'isa izao no mitarainaMafy ny manjo, feno ny kapoakaTsy rariny intsony ny manjo ny vahoaka Miharitra ny mafy ny isan-tokantranoTapaka ny jiro, tsisy koa ny ranoNy jirama tsy misy, ny vovo efa ritraTsy hita izay atao fa dia mipitrapitra Ny atoandro miasa sy mamonjy fianaranaNy alina indray … Continuer à lire Mijaly ny vahoaka
Tsia
Nahoana moa ny gasy no zary tsy mba sahyFa misalasala sy manana ahiahyRehefa indraindray tokony handàNy baiko sy ny tsindry ataon'ny vazaha? Na aza "tsia" tsotra izao no tena ao an-dohaDia ny "oui mesie" no lasa mialoha Matahotra hitsipaka ny tenin'ny vahinySadaikatra hamaly ndrao hahazo tsiny Dia toy izany koa na dia samy malagasy Na olon-dehibe io … Continuer à lire Tsia
Tsy aleo ve
Tsy aleo ve mampaheryraha mbola misy ny hery,sy saina ary fanananamba hanampiana namana? Tsy aleo ve mampitrakafa tsy mainka koa mandakaireo olona efa voasy mila hamoy fo? Tsy aleo ve mba mizaraizay zavatra mba tsara,fa tsy ny ratsy foanano hita mandavan-taona? Tsy aleo ve mba jerenaamin'izay ilay firenenafa tsy ny kibo no mihangezavao mahazo seza? … Continuer à lire Tsy aleo ve
Ingahy Rasamy
Any ianao r'ingahy RasamyTsy miteny intsony fa efa vovon-tanyManoratra aho satria mba mahatsiarotsiaroMitamberina an-tsaina ny zava-maromaroIngahy Rasamison mpiasabe tao amy garaTsy nigoka, tsy niloka, ary tsy nandray sigaraTsy mba nahenoina tantara ihany koaFa lehilahy matotra sady tokam-poMba firifiry moa no lehilahy toy izanyHafa mihitsy mantsy ianao r'ingahy Rasamy Ianao ilay masiaka tsy nitsahatra niteny Tsaroana ho nahasoa … Continuer à lire Ingahy Rasamy
Maina ny tany
Indrisy re indrisy fa maina izao ny tanyKivy ny mpamboly mila hitomanyMijaly sy marary ny zava-manan'ainaNy biby sy olombelona samy mitarainaSatria dia tsisy ranoNa ny eny antsaha, indrindra ny ao an-tranoMiziriziry mafy tsy milatsaka ny oranaMiteraka aretina mampangorangoranaMafana loatra ny androMila tsy ho zaka ny herin'ny masoandroFa toy ny afobe mamono sy mandoroMampanahy ny hoavy, … Continuer à lire Maina ny tany
Mijoroa sahia!
Anaka, manàna fahasahiana,f'aza ny hakivianano atao mialoha lalana, raha sendra sakantsakana eny an-dalana ombàna. Manàna koa finoana sy fanantenana, fa na mafy toy ny inona ny zava-manoloana, dia ny vahaolana tsy maintsy misy foana. Na misesisesy tsisy farany aza ny olanaTsy vita indray andro fa mety amam-bolanaMety koa maharitra aman-taonany aza. Dia tsarovy hatrany fa ny olona malazanahita fahombiazana amin'ny zavatra … Continuer à lire Mijoroa sahia!
Mpirahalahy
Izahay fony ankizy dia niara-nilalaoNy raharaha an-trano niarahana nanaoMba niadiady kely nifampila kisa koaFa tsy nifankafoy satria mpiray tampo Nitombo avy eo ny taona nandalo hatanorana Niara-nifanjevo tamy bandy ao an-tanàna Niarahana nandeha na sekoly na fiangonana Ny akanjo sy kiraro aza nisy niombonana Nony aty aoriana moa dia samy nanambady Dia samy toa variana miasa sy mitadyFa rehefa tafahaona dia … Continuer à lire Mpirahalahy
Zaza esorina
Neny ô, izaho moa izany izaotsy aiza f'ato an-kibonaoVokatry ny sitrapoSy fitiavanareo roaNefa gaga aho ry NenyIzaho moa tsy afaka mitenyTsy mba tanana handrangotraTsy afaka ny hisarangotraTsy mba tongotra hitsipakafa manaiky ho aripaka Ny hany sisa ho lazaikoalohan'ny hahataperan'ny aikodia lazao re ilay raikomba tsy ny filàny no mibaikofa hahay hitandrina amin'ny sisa satria dia … Continuer à lire Zaza esorina
Vaky boky
Mamakia bokyfa io no azo antoka sy namana mahatokymba hahafahanao mivoatra,raha toa ianao ka te hihoatranoho izay vitanao anio. Izao koa no tadidioNy olona izay lianasy mahita fifalianaamin'ny famakiana dia tsy ho varimbarianaamin'ny zava-tsy mahasoa. Fa mibahana ao an-dohany hanana hoavy tsaraManampy fotsiny ihany ny vintana sy anjaraSatria ny ao an-tsaina dia tia mikarokarokaVonona hihatrika ihany koa ny … Continuer à lire Vaky boky








