Aza menatra mijoro amin'ny maha ianao anaoAza tia manilikilika manao ankilabaoAza manaiky atao fitaovana hanimba indray ny hafaAza miandrandra fanampiana vao mba hanana sy tafa Aza miahotra mitory ny fitiavana ao anatyAza maika atao ho antitra maniry ny ho faty Aza miandry hanan-karena vao hahatsiaro fahasambarana Aza mandany fahatany izay mba vokam-pisasarana Aza mialona mahita ny fandrosoan'ny … Continuer à lire Hafatr’i Dada
Auteur : rasamison
Ny alikako
Ny alikako rey olonadia tia mitolotolonasy misangisangy.Tia manaikitraikitrasy mampiseho vangyizay ngeza sy maranitra.Nefa mahafinaritrafa namana azo antoka.Tsy mahafaty antokany mitaiza azy.Indraindray treromina somary omena sazyMatetika kosa omena safosafoTsy ampandeferina amy resaka sakafoIzy no manampy raha sendra fahavalo,mananika tanàna Rambosany ataony mandositra tsy tanaOmena tambitamby sy iaraha-milalaoTiako ny alikako, tiako tsotr'izao Rasamy
« Air Madagascar »
Ô indrisy, ô indrisy,fahatsiarovana no sisarehefa injay mba mitanisaan’ireto voromby an’ny Madagasikara Vita hatreo ny tantaraf’ilay lazaina ho tara lavadia indro potika sy ravatena vizana sy rerakaEny fongana tanteraka Izao no vokatry ny tolonasy grevy ataon'ny olonaEny indrisy mahonenafa nopotehina nohosenailay fananam-pirenena Tsisy Air Madagascar intsonyHoy ireo olona ambonyFa novainy nosoloinyMainka hiharatsy sa hihatsara?Ny tantara no … Continuer à lire « Air Madagascar »
Solelaka
Misy mpisolelaka tsy hiova izany mihitsyNa lalana mibiloka lazainy fa mahitsyNa efa maintimainty lazainy ho fotsifotsyNa ny lambamena lazainy ho bodofotsy Toy ny tsy mahalala menatra intsonyFa dia misolelaka amin’ny olona tompoinyNy fahazoana seza no masaka an-tsainySolelaka no tetika mba hitany sy hainy Ny olona mahantra marobe eto amy taninyNy sasany aza hoditra kiraro sisa … Continuer à lire Solelaka
Resak’etotra
Moa ve fahotana sa fahasalamana ny etotra tsy tana? N'iza n'iza mantsy, n'aiza n'aiza koaNa mizipo ianao, na mipatalohaDia ho avy ny fotoana hangetongeto-poana Tsy fanahy iniana fa lasalasa hoazy Etotra tsy tana fa tsy hoe vazivazy Fa misy karazany ny etotra tsy tanaAo ny misy fofona manenika tanàna Ny sasany mangetotra maneno mafy beDia ao ny tsisy feo fa mitsifotra … Continuer à lire Resak’etotra
Tsy haiko
Raha ny zavatra efa haikono handeha hotanisaikodia mino aho sy matokyf'efa hahavitako boky Fa raha ny zavatra tsy haikosy tsy takatry ny saikono handeha hotanisaina ... dia tranom-boky no ilaina Rasamy
Aro vava orona
Mamely tsy mitsitsy re izato coronaTsy misy afa-bela fa na vavy na ny lahydia tsy maintsy miaro tenaKa raha ho any an-tsenaNa mamonjy fivoriana Na mandeha miangona mangatam-pitahianaNa any anaty fiara sy eny an-dalana azaTsy maintsy isalorana izao ny saron-tavaTsy vitan'ny misalotra ilay aro vava sy orona Fa sady koa matahotra hitangorongorona Vita hatreo ny molotra feno lokomenaIlay tarehy … Continuer à lire Aro vava orona
Miady an-trano
Oadray re ry lala 'ty manjo antsika Toa viravirain'ny mpanao politikaDia mifandramatra sy miady an-tranoIlay Firenena no idiran'angano Mitovy amin'ny foza ao anaty sobikaMifamingampingana tsisy tafitaMifampisintona hidina ambanyDia Gasikara mandady amin'ny tany Rasamy
Zoky Joé
Lehilahy tena matotra sady tena tso-piaina Ikoizana tanteraka amin’ny lafiny ara-tsainaTena nanana ati-doha tamin’ny asa nosahaninaNampiaky ny rehetra fa nahay sy matihanina Ilay zoky be fitia izay nanampy ireto zandrinyTafita noho ny herim-pony ary koa ny herin-tsandrinyLehilahy fatra-panaja ny etika nijoroanyIlay mpanompo mahasoa an’Andriamanitra ninoany Ilay raim-pianakaviana tia nampianatra ny zananyLehilahy nanetry tena n’inona n’inona fananany Ilay … Continuer à lire Zoky Joé
Mbola hihaona
Andriamanitra ô, Vahotra ny lelako, mangovitra ny vavakoTena malahelo sy manjombona ny tavakoNoho ny fahoriana manjo ireto havakoKoa indro re henoy izato tonom-bavako Andriamanitra ô, Mangidy ny mahazo ny fianakavianaMisesisesy loatra mantsy ny fitomaniana Te hikiaka mafy aho nefa aleoko indray manginaSatria avy Aminao ihany koa ny fahoriana Andriamanitra ô, Tsy afaka manoatra fa tsy maintsy mankato F'izao no anjara … Continuer à lire Mbola hihaona








