Auteur : rasamison

Raha mbola velon-dreny

Raha mbola velon-dreny

Raha toa ka mbola velona ilay reninao niteraka Na aza efa antitra lazainao fa mandreraka Dia tsarovy foana, raiketo ao an-doha Fa iny anie ilay Reny izay nahitanao soa Ilay nitondra am-bohoka efa ho sivy volana Tsy nanala zaza nandray anao ho olana Matoa ianao koa velona dia tiany amin’ny fony Satria dia fanomezana avy … Continuer à lire Raha mbola velon-dreny

Ny ankaniko

Ny ankaniko

Endrey izato ankaniko Tiako sady mamiko Vokatry ny herim-poko ary koa ny fisasarako Ao ny ahy no misy ny tena fahasambarako. Ka na tsara sady raitra mahasarika manaitra ireo trano be mijoalajoala sy efa maro mpahalala hitako any am-pandehanana any Ny ahy ny tranoko hafa ihany Tena tiako sy lalaiko Io no lova mba avelako … Continuer à lire Ny ankaniko

Hihiboka sa tsia ?

Hihiboka sa tsia ?

Mafy ny mahazo ity raim-pianakaviana Misoritra amin’ny endriny ny fahakiviana Ny asa fivelomany efa tena manahirana Ny hofan-trano sy ny sisa tsisy mba mangirana Dia indro miampy indray izato adin-tsaina Satria voalaza mantsy fa sisa isa-maraina no afaka mivoaka mitady asa kely noho ny aretina mandoza manambana hamely Aretina mifindra, miparitaka eran-tany Raha toa ka … Continuer à lire Hihiboka sa tsia ?

Iny Mamanareo iny

Iny Mamanareo iny

Iny Mamanareo iny, olon-tsotra tia fihavanana Tia nanampy sy niantra ireo olona tsy manana Olom-banona tokoa, sady tsara toetra niavaka Satria olon'ny finoana, niaina tao anaty vavaka Iny Mamanareo iny, tia nivavaka ho an-janany Notononony isan'andro tsisy adinony ny anarany Ny fahitana anareo no mampiseho miharihary Fa ny vavaka nataony dia efa ren'ilay Mpahary Iny … Continuer à lire Iny Mamanareo iny

Rediredin-dRasamy an-tsehatra tao La Réunion

Rediredin-dRasamy an-tsehatra tao La Réunion

Tao anatin'ny dia nataoko tao La Réunion nandritra ny volana febroary 2020 teo dia nisy ny fihaonana manokana tamin'ireo malagasy monina ao St Dénis. Fihaonana ara-koltoraly izy ity izay natao indrindra mba hampisehoana amin'izy ireo ny boky izay novokariko. Dia tsy inona akory izany fa ilay boky mirakitra ny tononkaloko mitondra ny lohateny hoe "Hafatra", … Continuer à lire Rediredin-dRasamy an-tsehatra tao La Réunion

Hay mpifankatia

Hay mpifankatia

Tao an-dakilasy no niseho ny tantara Ramose variana ka tsy nahalala tsara Fa ireto tovovavy sy ireto tovolahy  Hay mpifankatia fa tsy akory mpianadahy  Bonaika be zareo rehefa ao am-pianarana Tsisy ny fihetsika mba nahafantarana Fa ranona sy ranona anie ka ohatr’izao Taraiky Ramose fa tsy naharaka vaovao Mody menamenatra tsy tia misehoseho Kanjo hitan-dRamose … Continuer à lire Hay mpifankatia

Mpanabe sahirana

Mpanabe sahirana

Mampalahelo loatra izato zava-misy Mahalasa saina mihitsy re indrisy F'ireto mpanabe mampianatra ny ankizy No toa mihafihafy, sahirana izay tsy izy Toa zary ambaniana sy atao tsinontsinona Inona no antony? Nahoana? Fa maninona? Karama efa kely no mba raisiny isam-bolana Ny fitaovana ampiasainy mbola tena olana Ny mpitondra mihitsy no toa lohalaharana Tsy manisy lanjany … Continuer à lire Mpanabe sahirana

Hafatry ny Reny Mpiahy

Hafatry ny Reny Mpiahy

Izaho Reny mpiahy dia manolotra ny fiarahabana Ho anareo r'Ilaimaharitra, izay nanovo fahalalàna Niezaka mba ho tafita ka dia tojo hatramin'ny farany Noraisin-tanana androany fa nahavita ny fianarany Izao no hafatro ry zandriko izay nahazo diplaoma Ny anaran'ny sekolintsika hololoavina eny foana Ka aza atao tsinontsinona n'aiza n'aiza misy anao Fa asondroty lalandava n'inona n'inona … Continuer à lire Hafatry ny Reny Mpiahy

Fampisehoana, lanitra mangamanga

Fampisehoana, lanitra mangamanga

Fampisehoana miavaka sy nahafinaritra no niseho tao amin'ny PLAZA Ampefiloha tamin'ny zoma 13 desambre 2019 lasa teo. Nanomboka tamin'ny valo ora alina mahery kely ny fampisehoana ary tsy nifarana raha tsy efa nipaika ny misasakalina. Ny FISA na Fianakaviana Sambatra moa no nikarakara ity fampisehoana ity. Nanafana izany fampisehoana izany izy dimy mirahalahy : Rija … Continuer à lire Fampisehoana, lanitra mangamanga

Vahoaka efa leo

Vahoaka efa leo

Tsy te hifidy intsony ny vahoaka maro an'isa fa dia mitazatazana sy mijery sisa. Mantsy leo sy tofoka fa tsy afaka mikofoka noho ny fangalarana sy ny fikafika fanaon'ireo milaza ho mpanao politika. Zary fitaka sy lainga ny zavatra ambarany Kobaka am-bava sy abobo tsisy farany Mahay mampanantena sy mandangolango Nefa vonona hangalatra hanao rapadango … Continuer à lire Vahoaka efa leo